Actualités

Fiarahamonina Nodiovin’ireo Rasta ny Esplanade Analakely


  • Alarobia 31 Martsa 2010

Nanatanteraka fanadiovana faobe teny amin’ny Esplanade Analakely omaly atoandro ireo Rasta monina eto an-drenivohitra.

Miandahy miambavy izy ireo no nifanome tanana tamin’ilay asa fanadiovana. Faritra ahitana fivorian’ny fako mazàna ity toerana ity ka izay no nanosika ireo rasta amin’izao asa sosialy izao. Ny fahadiovana rahateo no antoky ny fahasalamana araka ny nambaran’i José Satoub, filoha vonjimaikan’ny fikambanan’ireo Rasta, izay nanamafy fa santatra ambavarano amin’ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny kaominina iny tontosa iny. Asa hotanterahany manaraka ny fanabeazana ireo beantitra sy ireo ankizy kamboty. Feno enin-taona amin’ity 2010 ity ny nijoroan’ny fikambanan’ireo Rasta izay manam-pikasana ny hankalaza ny tsingerin-taona fahadiminy koa. Noho ny korontana teto amin’ny firenena mantsy dia tsy tanteraka izany tamin’ny 2009. Miisa 900 eo ankehitriny ireo mpikambana izay tsy voatery ho Rasta avokoa akory, hoy i José Satoub. “Raisinay ho mpikambana daholo rehefa olona mandala ny fotokevitra ijoroanay dia ny fahendrena Malagasy, ny firaisankina ary ny fitiavana”.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT