Actualités

Fiainana Mirona mankany amin’ny famakiam-bato ireo tsy an’asa


  • Alarobia 14 Aprily 2010

Mitombo isa ireo very asa vokatry ny krizy mihatra teto Madagasikara. Mba ahazoana mivelona, dia mirona mankany amin’ny famakiam-bato ireo very asa. Ao ihany koa ny fivarotana fasika.

Tsy mifidy asa atao izay mantsy ny Malagasy, fa izay mahavelona ny azy dia hidirany rehefa tsy halatra. Toetra iray izay mampiavaka antsika io. Na dia anisan’ireo asa mafy aza ny famakiam-bato nefa mahavelona tsara, dia betsaka ireo mirona amin’izany.

Mampiditra any amin’ny roa hetsy ariary isam-bolana ny fianakaviana iray manao ity asa ity amin’izao. Tany aloha dia mihoatra izany ny vola azo. Miandahy miambavy mihitsy moa ny miatrika ity asa ity, ary fianakaviana iray manontolo no mitambatra ho ekipa iray.
Misedra olana anefa ny asa fanodinana vato amin’izao, satria mihena ireo mpanangana trano na dia efa niala ny fotoam-pahavaratra isika. Miakatra ihany koa ny rano, ka sarotra ny fakana ny fasika. Izany rehetra izany dia miteraka ny fiakaram-bidin’ireto akora ireto.
Ho an’ny vato, ohatra, dia any Ankadivoribe no hakan’ity fianakaviana iray ity ny akora, ka isaky ny kamiao no hakana azy.
Amin’izao fotoana dia valonjato ariary ny iray daba amin’ny vatokely. Enina alina ariary kosa ny iray kamiao amin’ny fasika ary efajato ariary ny iray amin’ny vato efamira. Olana ho an’ireo mpanao ity asa ity ihany anefa ny fitandroana ny fahasalamana.
 
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT