Actualités

Fiainam-pirenena Lany vola ny Fanjakana ?


  • Zoma 09 Aprily 2010

Raha ny vaovao heno tamin’ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Ministeran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola dia lany tanteraka ny volam-panjakana ankehitriny.

Tsy misy afa tsy ny karama sy ireo zavatra ilaina farafahakeliny amin’ny fampandehanan-draharaha sisa no ampiasaina. Izany moa dia noho ny tsy fisian’ny fanampiana ara-bola avy any ivelany izay sady hamenoana ny kitapom-bola no hahabetsaka ny hetra aloan’ny orinasa izay mivelona tamin’ireny famatsiam-bola ireny. Vokatr’izany dia mijanona avokoa ny fandaniana rehetra eny anivon’ny Ministera, afa-tsy ny fanomanana ny fifidianana izay tsy mbola hita izay hiafarany ankehitriny. Ny tena olana koa dia ny any amin’ny Faritra izay tsy mahazo na inona na inona intsony, ka mahatonga antsika mahita ireny lalana mihasimba etsy sy eroa ireny.

Ny mahavariana anefa dia ny filazan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny hetra fa dia tratra 97,7% mba tsy hilazana fa 100%, hono, ny hetra notakiana tamin’iny telo volana voalohany iny. Na manao izay hampandriana andrisa ny vahoaka fotsiny ihany izany fanambarana izany, na koa dia misy fanodikondinam-bola lehibe izany any ambadimbadika any.
Loharanom-baovao hafa ihany koa no milaza fa misy trosa hatramin’ny taona 2009 tsy voaefa hatramin’izao noho ny tsy fisiana. Dia mametra-panontaniana isika hoe mbola ho azo antoka sy atokisana ihany ve izany rafanjakana ? Sao dia manao asa aminy ka tsy ho voaloa ny vola ?
 
Nangonin’i Jean D

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT