Actualités

Fanomezana ho an’ny traboina Savorovoro no niafarany tao Ambatondrazaka


  • Alarobia 17 Martsa 2010

Nampanantenaina fa ho avy ny sabotsy, omaly talata vao tonga tao Ambatondrazaka ny iraky ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, notarihin’ny Minisitry ny fambolena, Jaonina Mamitiana Juscelyno, nitondra ny voatsirambin’ny tanana ho an’ny traboina tany an-toerana.

Navory vao maraina teo amin’ny La Place, toerana fikabariana ny olona, indrindra ny traboina vokatry ny fiakaran’ny rano. Vary 10 taonina no natolotra. Niteraka savorovoro anefa ny fitantanana ny vary. Nasaina niandry ireo traboina fa mbola hanatitra ny ira-panjakana any amin’ny seranam-piaramanidina ny manampahefana tao an-tanàna. Amin’ny telo ora sy sasany folakandro io. Rehefa niverina ireo nandrasana, afaka fahefatr’adiny, dia nilaza fa ifampizarana amin’ny faritra hafa ny vary ka mbola misy ny fandaminana fa tsy hozaraina avy hatrany ny vary. Sorena ireo traboina diso fanantenana sady efa nasaina niandry ora maro ankoatra ny fotoana very tamin’ny sabotsy nambara fa hiavian’ny olona ambony avy amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Noraisin’ny sasany ho fampitambatambazana mihitsy aza ny tsy nizarana avy hatrany io fanomezana io. Tanimbary 10.000ha raha ny ao Ambatondrazaka fotsiny no dibo-drano vokatry ny fijojon’ny orana tany an-toerana. Manodidina ny 1500 teo ny traboina vokatr’izany, tao ny rava trano, tao no niakaran’ny rano ny tanànany.

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT