Actualités

Fanodinkodinam-bolam-panjakana Any an-tranomaizina ny “percepteur principal”


  • Zoma 16 Aprily 2010


Manao tohivakana ny fitsarana mpiasam-panjakana voarohirohy amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. Voapanga ho nanao izany teti-dratsy izany  ny “percepteur principal” teo anivon’ny faritan’Antananarivo etsy Tsaralalana. Ny 19 septambra 2006 no niseho ny fahaverezam-bola mitentina valo hetsy sy enina tapitrisa ariary tamin’ity biraom-panjakana ity. Nosaronana resaka vaky trano ny raharaha tamin’izany saingy rehefa noraisin’ny fitsarana heloka bevava an-tanana ny famotorana dia fantatra fa tsy mitombina fa ingahy “percepteur principal” no nitondra ny lakile ny zoma hariva ka namoaka an-tsokosoko ny vola. 12 ireo voarohirohy ka anisan’izany ny vady andefimandriny. Na dia niaro tena mafy aza izy mivady teny anoloan’ny fitsarana dia tsy nisy afa-bela. Sazy dimy taona an-tranomaizina no azony raha telo taona kosa ny an’ny vadiny. Afaka madiodio ny telo ary nohafahana noho ny fisalasalana kosa ny fito ambiny. 

Andry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT