Ny talata 13 aprily teo no niakatra mpitsara mpanao famotorana fanindroany ny raharaha fanodinkodinam-bola nitranga teo anivon’ny Jirama Toamasina, ny voalohany natao teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana zokiolona, nefa noho ity farany naka fialan-tsasatra dia ny mpitsara mpanao famotorana voalohany ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany no nanao ny fanadihadiana fanindroany.
Nandritra ny tontolo ny andron’ny talata teo nanaovana ny fanadihadiana savaranonando tamin’ireo voarohirohy momba ilay fanodinkodinana vola teo anivon’ny Jirama Toamasina, niisa 15 teo, dia nivoaka ny didy voalohany ka mpiasa roa teo anivon’ny Jirama dia ny lehiben’ny fitantanam-bolan’ny orinasa sy ny mpiasa mpanao ny fandrotsaham-bola ireto nampidirina am-ponja vonjimaika ireto. Ireo 13 ambiny kosa dia nohafahana vonjimaika. Ny iray amin’ireo voampanga anefa ny volana oktobra teo, dia nisy ny famindrana azy aty Antananarivo eo anivon’ny foiben’ny Jirama, ary efa ny lefiny teo aloha no mihazona ny fitantanam-bola nanomboka io volana oktobra 2009 io. Raha hiverenana ny tantara, dia taloha kelin’ny krismasy2009 no tsikaritra ity fanodinkodinam-bola ity raha nisy taratasin’ny banky nahitana tsy fitovian’ny tarehimarika ara-bola sy ny voasoratra, ary raha natao ny fanadihadiana dia tamin’ireo fandrotsaham-bola niisa 213 nitranga ny taona 2009 dia teo amin’ny fandrotsaham-bola niisa 193 dia nahitana hosoka avokoa ny vola nivoaka ny Jirama Toamasina sy ny tarehi-marika tany amin’ny banky. «Tsy maintsy mivoaka ihany ny marina, nanao ny asany ny fitsarana tamin’izao fanadihadiana savaranonando izao, efa ela nitaintaina izahay nefa mbola andrasana koa ny fitsarana mba tena ho hita ny marina tanteraka mikasika ity fahaverazam-bola tao aminay ity sy izay tena nanao azy marina» izay no nambaran’ireo mpiasan’ny Jirama tafaresaka tamin’ny mpanao gazetin’ny Tia Tanindrazana.
Fantatra anefa fa misy koa ny fanoherana nataon’ny mpisolovavan’ireto mpiasan’ny Jirama miisa 15 ireo mikasika ny fidiran’ny Bianco amin’ity raharaha ity, satria resaka fanodinkodinam-bola no nitranga fa tsy resaka kolikoly akory ka noho izany amin’ny maha orinasam-panjakana ny Jirama dia ny «Inspection Général de l’Etat» sy ny «audit» atao eo anivon’ny orinasa no tokony niaingan’ny fanadihadiana ary ny antontan-taratasy avy amin’ireo no tokony entin’ny fitsarana manao ny fanadihadiana. Etsy an-kilan’izay, fantatra izao fa efa misy ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraky ny mpisolovava ireto mpiasa roa eo anivon’ny Jirama voahazona am-ponja vonjimaika ireto ankehitriny. Fa ankoatr’ilay fanodinkodinam-bola mahatratra 6 miliara ariary, dia fantatra fa mbola misy koa izany resaka taratasim-bola tsy mazava tsara izany miparitaka. Tsy nijanona fotsiny tamin’izao koa ny banky mitahiry sy mitantana ny volan’ny Jirama fa nametraka fitoriana ho an’ireo mpiasa tao aminy, izay miisa efatra no voarohirohy araka ny vaovao nangonina sy mitory koa ireo mpiasan’ny Jirama mifandray tendro amin’ny resaka volan’ny orinasa. Resaka fampiasana taratasina banky hosoka sy fanalam-baraka ny banky no anton’ity fitoriana ity. Mbola raharaha hafa koa ny mikasika ity raharaha iray ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.