Actualités

Fanendrena PDS ao Manakara Nofoanan’ny Filankevi-pitsarana toy ny tsy nisy


  • Zoma 19 Martsa 2010

Vita hatreo ny resaka PDS ao Manakara. Nofoanan’ny Filankevi-pitsarana nandritra ny fotoam-pitsarana ny alakamisy 18 martsa ny didim-pitondrana laharana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 navoakan’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany manendry delegasiona manokana hitantana ny tanŕnan’i Manakara.

Ny 15 desambra 2009 no efa namoaka didy laharana faha-160 ny Filankevi-pitsarana mampihatona ny fampiharana io didim-pitondrana io, ary mbola nohamafisiny nandritra ny raharaham-pitsarana ny alakamisy 14 janoary 2010 raha nangata-panazavana mikasika ny andininy faharoa tamin’io didy fampiatoana laharana faha-160 io ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitra Manakara, Andriano Gsicard. Andininy izay milaza fa «mihantona ny fampiharana ny didim-pitondrana laharana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 manendry delegasiona manokana ahitana an’i Sileny Herimanitra Alban (filoha), Benja Andriatsizehena Parfait (lefitra voalohany) ary i Maharetasoa Gabriel (lefitra faharoa) hitondra ny tanànan’i Manakara». Nohamafisin’ny Filankevi-panjakana ny didy. Vokany, tsy manan-kery fa foana toy tsy misy avokoa na ny didim-pitondrana laharana 49644/2009 tamin’ny 19 novambra 2009 navoakan’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany na ny didim-pitondrana laharana faha-41/09/REG/VAT-FIT/CR navoakan’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny 21 desambra 2009 mampihatona vonjimaka amin’ny asany ireo mpikambana rehetra ao amin’ny birao mpanatanteraky ny Kaominina Manakara sy ny Delegasiona manokana. Io didy fandravana navoakan’ny Filankevi-panjakana io omaly io no mamerina amin’ny toerany an’i Andriano Giscard hanao ankalalahana ny asa maha Ben’ny tanàna azy. Resy teo anoloan’ny Fitsarana indray ny Fanjakana. Ny didy toy itony koa no manaporofo fa betsaka ny fanapahan-kevitra petatoko raisin’ny manampahefana, nefa mety ho taratry ny Fanjakana tsy marim-pototra koa izany.

Hiverina amin’ny laoniny manomboka eo koa ny fitantanana ao Manakara, fitantanana izay efa nanao roa trano hatramin’ny namoahan’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany ny naoty manendry ny PDS ho “gestionnaire de crédit” tao amin’ny Kaominina Manakara.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT