Actualités

Fanapoahana tobin-dasantsy Hohamafisina ny fiambenana ireo toby


  • Talata 20 Aprily 2010

Hohamafisina ny fiarovana ireo toeram-pivarotan-tsolika eto an-drenivohitra. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana izay hitety ireo mpivaro-tsolika 81.

«Araka ny tsikaritra tao anatin’ny telo taona izao dia tsy misy sahy manafika ireny toby ambenan’ny zandary na polisy ireny afa tsy iray monja ka izay indrindra no mahatonga anay hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro ny filaminana», hoy Rakotozafy Martin, filohan’ny Gpglss (Groupement professionnel des gérants libres des stations libres). Anisan’ny fehin-kevitra noraisin’ireo mpitantana tobin-dasantsy eto an-drenivohitra izay nanatanteraka fivoriana tetsy amin’ny masoivohon’ny antenimieran’ny varotra omaly io manoloana ny asa fampihorohoroana nihatra tamin’izy ireo. Marihina tokoa mantsy fa nisy fanipazana baomba indroa misesy tamina tobin-tsolika Total roa teto an-drenivohitra ny zoma hariva sy sabotsy vao mangiran-dratsy lasa teo teny Soarano sy Soanierana.

Antso avo
Miantso ny fitondram-panjakana hijery akaiky ny toe-draharaha koa ny vondron’ny mpandraharaha matihanina amin’ny fitantanana toby fivarotan-tsolika. Miantefa amin’ireo kaompania mpaninjara solika efatra koa anefa izany antso izany mba hitadiavan’izy ireo paikady hiarovana ny fotodrafitrasa sy ny ain’ny mpiasa araka ny nambaran-dRakotozafy Martin. «Tena ilainay koa ny fiaraha-mientana amin’ny vahoaka mba hampandre ny mpitandro ny filaminana na koa ilay toby raha mahatsikaritra fihetsika hafahafa ataon’ny olona sasany. Ho an’ireo izay manao ireny asa fampihorohoroana ireny dia fantaro fa mitera-doza tokoa ny tetika fanapoahana toby satria tsy ilay toby ihany no hirehitra fa ho may tsy misy horaisina avokoa izay rehetra ao anatin’ny faritra 1.5km manodidina azy» araka ny fanazavan’ny filohan’ny Gpglss.
 
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT