Nidina tany Ankazomiriotra, toerana nisehoanilay fanafihana ireo fiara mpitatitra efatra mampitohy ny renivohitra sy Morondava ireo filohanny kaoperativa miasa amininy faritra iny ny talata lasa teo.
Nidinika niaraka tamin’ny zandary any an-toerana ireo paikady hanamafisana ny fandriampahalemana amin’ny lalam-pirenena faha-34 no anton-dia. Fanapahan-kevitra niarahan’ny rehetra nanapaka ny fitazonana ny fiarahan’ny fiara mandeha maromaro ka hisy zandary hialoha sy hamarana ny filaharana miainga avy aty an-drenivohitra sy manomboka ao Miandrivazo kosa ho an’ireo miakatra. «Ny androtry ny talata ihany dia efa nihatra io fepetra io ary nanao fanamby taminay mihitsy ny kaompanian’ny zandary miasa ao Ankazomiriotra fa tsy hisy intsony ny asan-jiolahy mandroba fiara mpitatitra toy ireny manomboka izao», araka ny fanazavan-dRakotondrafara Fredinard, filoha lefitra nasionalin’ny kaoperativa Mafio izay miantso ny mpandeha tsy hanana fanahiana intsony. Miangavy ny mpandeha mba hanaiky ny lamina sy fepetra noraisina kosa ny filohan’ny Kofmad, Andriakotoarijaona. «Satria tsy maintsy misy ny fifampiandrasan’ny fiara dia mangataka anareo mpandeha izahay mpitatitra mba tsy himenomenona satria tombontsoan’ny rehetra no tadiavina». Hatramin’ny nitrangan’iny fanafihana iny dia mihavitsy tokoa ny mpandeha noho ny tahotra raha ny nambaran’ireto filohana kaoperativa ireto ihany.
Fanelanelanana
Olona enina no efa voasambotra ankehitriny tamin’iny raharaha iny. Efatra no tratra ny alatsinainy teo raha ny ampitson’io kosa ny roa. Sarona koa ny sabatra nampiasain’izy ireo miaraka amin’ny bala vitsivitsy. Tovolahy monina amin’ny faritr’i Mandoto sy Betafo avokoa izy ireo ka mpahay haiady ny roalahy. Ireny mpampianatra karate sy taikwondo ireny izy mirahalahy ireo. Folo moa ny isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana ka mbola karohina ny efatra mirahalahy ambiny. Samy niaiky ny fandraisany anjara tamin’ny fanafihana avokoa izy ireo. Ankoatra izay dia nanamarina ihany koa ny saofera iray anisan’ny voatafika fa ireo tovolahy ireo tokoa no nikapoka azy raha ny fanazavan-dRakotondrafara. Miantso ny tompon’andraiki-panjakana ihany koa ireo mpitatitra mba hijery akaiky ity raharaha ity satria misy manampahefana ambony mitady hanao fanelanelanana ka mikaroka izay fomba hamotsorana na hanalefahana ny sazy ho an’ny sasantsasany amin’ireo voasambotra ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.