Actualités

Fanadiovana ny tanŕna Nialan’ny kaominina ny afovoan-tanŕna


  • Zoma 09 Aprily 2010


Miverina indray ny asa fanadiovana ny tanàna sahanin’ny kaominina Antananarivo renivohitra raha somary nangingina izany tao ho ao. Ny faritra lavitry ny afovoan’ny tanàna indray izao no anaovana hetsika izay natomboka tamin’ity herinandro ity tamin’ny faritra avaratra atsinanan’ny renivohitra mihazo an’Ambohitsaina. Nisy, omaly tolakandro, ny fidinan’ny polisy monisipaly nampian’ny polisy nasionaly teo amin’ny toeram-piantsonan’ny taxi-be eny Ankatso izay nametrahana lamina vaovao. Nasaina nilahatra amina laharana iray avokoa ireo fiara mpitatitra rehetra ary nomena toromarika hamonjy ny tsenan’ny fokontany kosa ireo mpivarotra amoron-dalana rehefa avy nesorina tamin’ny toerany. Tetsy an-daniny dia nanala ireo ahitra manetsina ny tatatra amin’ny lalana mihazo iny faritra iny koa ireo mpanadio tanàna eo anivon’ny kaominina. Antony anatanterahana ny hetsika koa raha ny fanampim-panazavan’ny talen’ny kabinetran’ny kaominina Rabearisoa Alexandre ny fampirisihana ireo mpivarotra sy mpamily miasa eny an-toerana mba hamonjy toeram-pivalanana satria saika ny zoron’ny rindrina no fanaovan’izy ireo maloto. Amin’ny herinandro ambony dia ny fokontany Ankorondrano, Ambodivona ary mipaka hatrany Manjakaray no hanaovana ny hetsika. Mialoha ny fetin’ny paska no efa nanomanana ity fanadiovana ity saingy nihemotra izany.

Yves
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • ValĂ©ry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT