Hatry ny alatsinainy teo ka hatraminny sabotsy ho avy izao dia ao anatinny fitokonana fanairana ireo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao aminny Seces eny aminny oniversitenAntananarivo.
Foto-pitakian’ireto mpampianatra mpikaroka ny hampiharana ilay didim-panjakana voalohany, natao ny 6 oktobra 2009 mitondra ny laharana 2009-1215, izay mamaritra fa dia 8 hetsy ariary ny tambin-karamam-pikarohana omena ireo mpampianatra eny amin’ny oniversite. Hatramin’izao anefa dia tsy nampiharina ilay didim-panjakana ary dia efa nosoloana didim-panjakana vaovao mihitsy aza moa izany ny 6 febroary lasa teo, dia ny laharana 2010-044 milaza fa dia hahena 3 hetsy ariary indray ilay tambin-karama. Araka ny lalàna anefa, araka ny fanazavana, dia efa nihoatra ny telo volana tsy nasiam-panovana ilay didim-panjakana voalohany. Noho izany dia nentin’ireo mpampianatra mpikaroka eny anivon’ny filankevi-panjakana moa ity raharaha ity. Takian’izy ireo ny hanafoanana ilay didim-panjakana faharoa natao tamin’ny volana febroary.
Raha toa ka tsy voavaha ity olana ity dia mety hiditra amin’ny fitokonana faobe ireo mpampianatra manomboka amin’io herinandro ambony io. Araka ny fanazavana moa dia tsy noterena ny FAT hampiakatra ny tambin-karama ka nanao ilay didim-panjakana voalohany. Raha atao moa ny kajy tsotsotra dia any amin’ny 2 tapitrisa ariary ny totalin’ny tambin-karaman’ny mpampianatra mpikaroka iray eny Ambohitsaina. Tsy ireo mpampianatra ihany no manana fitakiana eny Ankatso fa ry zareo mpianatra koa dia manana ny azy. Omaly moa no fe-potoana nomen’izy ireo ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita kanefa hatreto dia tsy mbola nahitam-bahaolana. Takian’izy ireo ny hampiakarana ny vatsim-pianarana, ny “équipement” ary ny resaka sosialy eny Ankatso. Araka izany, dia misavoritaka ny eny Ambohitsaina eny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.