Actualités

Famindran-draharaha Tanteraka ihany na dia efa nisy fiandrasana adiny enina aza


  • Alakamisy 15 Aprily 2010

Sambany vao nisy teto amin’ny firenena ny famindran-draharaha tahaka ny niseho omaly teny Mahazoarivo teo amin’ny Praiminisitra Albert Camille Vital sy ny Minisitry ny Foloalindahy Rakotonandrasana Noel.

Tena nandrasana marina i Noel omaly. Raha tamin’ny 10 ora no nifamotoana teny Mahazoarivo ny rehetra, dia tamin’ny 1 ora sy sasany vao tonga teny an-toerana ity Minisitry ny Foloalindahy teo aloha ity. Tsikaritra teto ny tsy fisian’ny fifanajana intsony eo anivon’ny tafika. Milaza ho tsy miady izy ireto, nefa ny kibay an-kelika ihany. Ny Sekreteram-panjakana amin’ny Zandarimaria, ny jeneraly Ravelomanana Claude, izay ambony laharam-boninahitra amin’izy rehetra indray mantsy no tonga aloha teny an-toerana. Ny komandin’ny Zandarimaria, ny jeneraly Razafindrakoto Bruno Wilfrid, izay eo ambany fahefany aza, dia tamin’ny 12ora sy 40 minitra vao tonga, raha tamin’ny 12 ora 30 minitra ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ny jeneraly Ndriarijaona André.

Raha hiverenana ny momba ny famindram-pahefana, dia mbola naharitra adiny roa mahery taorian’ny nahatongavan’ny Jeneraly Rakotonandrasana vao tanteraka ny famindram-pahefana. Midika izany fa nisy ny fifandresen-dahatra, satria nanomboka tamin’ny 11 ora, dia nikaon-doha tao amin’ny toeram-piasan’ny Praiminisitra ireo lohandohan’ny mpisorona nahitana ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Lefitry ny Komandin’ny Zandarimaria, ny Jeneraly Manankay, ny Komandin’ny FIGN ny Jeneraly Zafera.
Raha nandray fitenenana ary ny Praiminisitra taorian’ny famindram-pahefana, dia nanambara izy fa iray ny tafika, ary porofon’ny fifankatiavana ny nahatanteraka izao famindram-pahefana izao. Ny hanatanterahana ny fifidianana no tanjona, hoy izy. Ny minisitra Rakotonandrasana kosa, dia nanambara fa noho ny fitiavany ny tanindrazana no nanatanterahany izao famindram-pahefana izao, ary mbola vonona ny tenany hitady izay hampandroso hatrany ny firenena.
 
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT