Mifanome tanana ny samy Malagasy any Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana miatrika ny fanarenana ny simba taorian’ny fahavoazana nateraky ny rivodoza «Hubert» farany teo.
Tanàna maromaro no dibo-drano vokatry ny fiakaran’ny rano. Maromaro ihany koa ny lalana simba na nokaohin’ny riaka na tototry ny ranontany. Tapaka noho izany ny lalam-pirenena faha-12. Ao Kianjavato, 140km tsy hahatongavana any Manakara, no lehibebe ny fahavoazana. Efa nisy ihany ny fandraisana an-tanana nataon’ny mpandraharaha avy ao Manakara nisava ny lalana, hahafahan’ny fiara sy ny olona mifamezivezy. Na izany aza dia misy toerana roa nokaohin’ny rano ny lalana, araka ny tatitra azon’ny Ben’ny tanànan’i Manakara, Andriano Giscard.
Tsy maintsy miampita fiara rehefa eo Kianjavato, ka lalana mirefy 7km eo no voatery diavina tongotra amin’izany. Mitombo ny saran-dalana vokatr’izany. 10.000Ar ny saran-dalana miainga avy ao Manakara tonga eo Kianjavato. Ny famatsiana no mampanahy ny mponina raha mitarazoka ny asa fanamboarana hamahana ny lalam-pirenena faha-12. Tahirin-tsakafo roa herinandro no vonona any amin’ireo mpandraharaha ao Manakara hiatrehana ny famatsiana. Mety tsy ho lany mialoha ny fotoana anefa io, eo anatrehan’ny fahavoazana mianjady amin’ireo distrika manodidina nateraky ny rivodoza “Hubert” ihany, ka efa anairan’ny mponina any an-toerana mba handraisana fepetra dieny izao hisorohana ny fanararaotana samihafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.