Actualités

Faingan-tanana Ny olona niondrika nivavaka, ilay Ramatoa nitsaika ny poketra nisy vola roa tapitrisa ariary


  • Zoma 12 Martsa 2010

Nametraka fitoriana teny amin’ny Polisin’ny foiben’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava Anosy ny vehivavy iray mpivarotra amin’ny Pavillon Analakely fa nisy naka nandritra ny fotoam-pivavahana natrehany tamin’ny efitrano malalaka iray teto Antananarivo ny poketrany nisy vola roa tapitrisa ariary.

Napetrany teo amin’ny seza teo anilany ny poketrany ka nandritra ny fotoana nifantohany tamin’ny fivavahana dia nisy nanararaotra naka ilay poketra. Nifanindry indrindra tamin’io fotoana tsy nahitana ny poketrany io no nanjavonan’ny olona nipetraka tao aoriany izay tadidin’ireo olona niaraka taminy. Misy vehivavy iray mpifandray ara-barotra aminy ka talohan’ny nandehanany namonjy fotoam-pivavahana dia tonga teo an-tsenany io vehivavy io. Teo imasony no nifampiresaka tamin’ny finday tamin’olona izy no nampiditra ireo vola tao anaty poketra sady nilaza hoe : «hoentinay manaraka anay any amin’ny fivavahana ny vola ka any izahay tsenaina». Izay resaka izay no noraisin’ilay vehivavy dia tonga tany amn’ilay fotoam-pivavahana izy nanao ny asa ratsiny. Rehefa nataon’ny Polisy ny fisavana ny tranon’ity vehivavy ity, dia hita tao aminy ny kojakojam-behivavy toy ny lokomena sy ny hafa tao anatin’ilay poketra, izay nanamarina ny asa ratsy nataony. Natolotra ny Fitsarana ny talata 09 martsa teo izy ka notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora.

 
Nangonin-dRabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT