Actualités

Fahaiza-mitantana : Miampanga ny FAT ny “Gare routičre” ao Ambalabako


  • Alatsinainy 22 Martsa 2010

Malaza tsy hihinanana toa lovian-tsahona ny “Gare routičre” ao Ambalabako ao Ambatondrazaka ho an’ny fitaterana an-tanety any Alaotra.

Namboarin’ny fitondrana Ravalomanana izy ity, ary natao maodely amin’ny “Gare routière” namboarina taty aoriany, toy ny ao Toliara, Ampasampito (Antananarivo), Mahajanga ary nihazakazahan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita notokanana, rehefa niova ny fitondrana. Ranjatoelina Roland, minisitry ny fitaterana ao amin’ny governemantan’ny FAT ankehitriny no nitokana io toby fiantsonan’ny fiarakodia vaovao ao Ambalabako io ny zoma 03 jolay 2009. Nandrasana  hitokana azy tany moa i Andry Nirina Rajoelina, fa tsy nipoitra. Tsy asa tanany koa io, ka mety ho izay no nampiahotra azy. Nankalazaina tamin’ny haino aman-jery ny lanonam-pitokanana, ary nanaovana tery vay manta ireo kaoperativa amin’ny zotra miasa any Alaotra iny, fa ny ampitson’ny fitokanana ihany, ny sabotsy 04 jolay dia tsy maintsy miantsona ao izy ireo. Valo volana ngarangidina aty aorian’ny nitokanana ny fotodrafitrasa anefa, na dia kaoperativa iray aza tsy tazana ao Ambalabako, manda ny hifindra ao ny mpitatitra sy ny mpandraharahan’ny fitaterana, hany ka bozaka sisa maniry ao. Ny tranga toy izao dia taratry ny tsy fahombiazan’izao fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izao ary miampanga ny mpitondra ho tsy mahefa mandamina sy ny mitondra tanàna. Ifandrotehan’ny Kaominina Ambatondrazaka sy ny ATT (Agence de Transport Terrestre) na masoivoho misahana ny fitaterana an-tanety, rahateo ny fitantanana azy.

Raha ny tetiandron’ny Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka dia efa tamin’ny alatsinainy 22 jona 2009 no tokony hiala tao Madiotsifafàna, izay toerana fiantsonan’ny fiara amin’izao fotoana izao ireo kaoperativa ka hafindra tao Ambalabako. Nanda izany ireo mpitatitra. Nidina an-dalambe nitondra sorabaventy mihitsy aza ny talata 23 jona 2009 nanehoan’izy ireo izany fandavana izany. «Izahay tsy hifindra …», «Mijaly ny mpandeha …» no santionany amin’ireo sora-baventy nolanjain’ireto mpitokona ireto. Nanapa-kevitra ny tao amin’ny Kaominina fa haato aloha ny famindrana fa aorian’ny fitokanana, ny 03 jolay, vao hafindra. Fitokanana izay nifanindran-dalana amin’ny tsenaben’ny Kaominina Ambatondrazaka sy ny fikaonandoham-paritra Alaotra Mangoro rahateo. Tsy niova tamin’ny heviny anefa ny mpitatitra eny fa na dia nisy teny midina avy amin’ny Minisiteran’ny fitaterana aza milaza fa dia hosintonina ny “licence” na ny taratasy fahazoan-dalana hitatitra olona ananan’izay fiara mitokona tsy mety hifindra ao Ambalabako, eny fa na dia nalefa koa ny feo fa halain’ny Madarail ny taniny ao Madiotsifafana, izay midika ho fanerena ankolaka ireo kaoperativa mba hiala amin’io toerana io ka hifindra any Ambalabako. Mandrak’ity anefa ny anio tsy misy mampiasa ny “Gare routière”.
Naorina ny taona 2005 ny fotodrafitrasa ao Ambalabako ity. Nandaniana vola manodidina ny telo miliara ariary teo ny asa fanamboarana. Manara-penitra ny asa na dia miorina amin’ny toerana somary misintaka kely ny tanàna aza izy. Hitsinjovana ny fitaran’ny tanàna rahateo no nanorenana azy tao. Ny olana anefa dia tsy mbola misy itony Taxi be itony ao Ambatondrazaka ary mampanahy ny olona koa ny fandriampahalemana amin’io toerana io, ary izay no anisan’ny nandavan’ny mpitatitra hifindra ao.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT