Actualités

ENAM Hisokatra ny fanofanana ampitain-davitra


  • Zoma 12 Martsa 2010

Tontosa omaly antoandro teny aminny ivotoerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato ny famoahana aminny fomba ofisialy ireo mpianatry ny Enam miisa 517 aminny andiany indray mihira Fanasina.

Handray asa eo anivon’ny sampandraharaham-panjakana araka izay niofanany avy izy ireo manomboka izao rehefa nahavita ny fianarana nandritra ny 2 taona. Nandritra ny lanonana ihany koa no nanoloran’ireo mpiofana ao amin’ny andiany faha-21 ny fanilo amin’ireo zandriny misy 201 mianadahy izy vao voaray tamin’ny fanadinana farany teo. Marihina fa feno 50 taona amin’ity taona 2010 ity ny niorenan’ny sekoly manofana mpiasam-panjakana ambony ka anisan’ny asa laharam-pahamehana atrehany amin’ity ny fametrahana ny fampianarana ampitain-davitra any amin’ireo renivohi-paritany enina teo aloha. Ny AUF no mpiara-miasa amin’ity tetikasa ity. Nomarihiny anefa fa ny fampianarana no ampitain-davitra ho fitsinjovana ireo mpiofana any amin’ny faritra rehefa tafapetraka ilay tetikasa fa eto an-drenivohitra ihany ny fanadinana araka ny fanazavan’ny Talen’ny Enam, Andrianosolo Alexandre. Ankoatra izay dia hivelatra bebe kokoa amin’ireo firenena vahiny  koa ny sekoly. «Hisy ny fandraisana mpianatra avy any Tchad, Congo fa tsy hionona amin’i Kaomoro intsony satria efa maro dia maro ny fangatahana voaray avy amin’ireo firenena ireo».  

Yves  
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT