Actualités

Ebit 13 Sambany hatao any Toamasina


  • Zoma 09 Aprily 2010


13 taona nisiana tsy tapaka izao ny hetsika Ebit izay karakarain’ny Synergy Communication ary sambany hotontosaina any amin’ny faritra ka i Toamasina no hisantatra izany, ao amin’ny foibem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena (CRJS) ao Tanambao II ny 22 sy 23 aprily izao. Hiara-hiasa amin’ny mpikarakara amin’io andiany voalohany any amin’ny faritra io ilay orinasam-pifandraisan-davitra Orange. Tanjon’ny mpikarakara ny fanohizana ny fanamorana sy fanapariahana ny fampiasana ny teknolojia avo lenta izay mifanojo indrindra amin’ny tigetran’ny Orange izay miezaka ny mampahafantatra ireo vokany taorian’ny nahatongavan’ny cable Lion teto amintsika. Orinasa 20 sy mpikirakira ny teknolojia avo lenta 300 ary mpitsidika maherin’ny 5000 no andrasana handray anjara sy hitsidika ny hetsika. Tanjon’ny hetsika koa ny fampifandraisana misimisy kokoa ireo mpandraharaha ara-toekarena any amin’iny faritra Atsinanana iny amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta. Amin’ny volana oktobra kosa ny andiany manaraka eto an-drenivohitra.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT