Actualités

Dr Randriamiarisoa Joseph: Mila mikaro-bahaolana fa tsy azo avela amin’izao ny firenena


  • Zoma 26 Martsa 2010

Ranolava ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena sy ny mpanao politika taorian’ny nivoahan’ny lisitra mirakitra anaran’olona miisa 109, nosazian’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny alalan’ny Filankevi-pilaminan’ny Firaisambe Afrikanina.

Raha naneho hevitra tamina radio tsy miankina iray teto an-drenivohitra ny Dr Randriamiarisoa Joseph, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert sady mpikambana ao amin’ny Hery Politika Mitambatra (HPM), dia nilaza fa mila mikaroka vahaolana ny mpanao politika sy ny olom-pirenena tompon’andraikitra fa tsy azo avela amin’izao ny firenena. Mandalo krizy ny firenena, ekena izany, hoy izy. Misy fitondrana mahefa eto, tsy lavina izany, ary voasazy ny firenena ankehitriny, iarahan’ny rehetra mahalala. Nahitsy filaza ny Dr Randriamiarisoa Joseph fa tompon’andraikitra feno ary tsy afa-miala amin’izany ny mpitondra tarihin’i Andry Rajoelina. Tsy vahaolana, hoy izy ny fanilihana andraikitra any amin’ny GIC (Groupe International de Contact), na ny ankolafy telo, ka tokony hieritreritra ny mpitondra mahefa. Nandroso soso-kevitra ny Dr Randriamiarisoa Joseph hiantsoana ny mpanao politika hivory, hifandinika hijery vahaolana hamaranana ny krizy fa tsy azo avela amin’izao ny firenena. Anjaran’ny mpitondra no mandresy lahatra ny rehetra ho amin’izany.

Raha tsy naharesy lahatra ny zavatra nataony in-telo misesy teny Ivato raha ny tamin’ity taona 2010 ity fotsiny, dia tokony handroso hevitra hafa izy fa tsy hiziriziry na hanao anjorombona ka hanapa-kevitra samirery. Hentitra ny Dr Randriamiarisoa Joseph nilaza fa tsy misy ankolafy politika afaka milaza fa mahavita mitondra irery ity firenena ity, hamoaka azy amin’izao krizy izao, fa tsy maintsy ifandrimbonana, iaraha-mitantana ny fanjakana. Mikasika izay indrindra dia nanamafy ny tokony hampiharana ny Maputo sy Addis Abeba ny tenany. Nambarany fa efa voafaritra ao avokoa ny lalan-kivoahana amin’izao krizy izao izay miainga amin’ny fampihavanam-pirenena. Nanamafy izy fa hatramin’ny fifidianana aza efa misy ny dingana voafaritra ao anatin’ny Maputo. Fanontaniana aza no napetrak’ity mpikambana HPM ity, manontany ny ankolafy Rajoelina amin’ny antony tsy ampiharany ny Maputo. Tsy tokony hionona amin’ny famahana ny krizy fotsiny isika amin’ny fikaroham-bahaolana, hoy ny Dr Randriamiarisoa Joseph fa mitady vahaolana tsy hiverimberenan’izany intsony, ka niantsoany ny olom-pirenena tompon’andraikitra, eny fa na ny foloalindahy aza, handray andraikitra fa tsy azo avela amin’izao ny firenena.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT