Nandritra ny lanonana nokarakaran’ny kaominin’i Toamasina ambonivohitra teny amoron-dranomasina ny alatsinain’ny Paska, no nanararaotan’ny Ben’ny tanŕna Dr Rakotomanana Gervais nilazany ny asa atao sy ny fijerena ny olan’ny mponina. Toy izao ny resaka nifanaovanay taminy.
Tia Tanindrazana (T.T) : Miarahaba anao nahatratra ny Paska. Ahoaka ihany ity resaka jiro fanazavana ny tanàna tsy mety tanteraka eto anivon’ny Kaominina iadidianao ity, nefa efa nisy ny fifanazavana natao mikasika azy ity niarahanao tamin’ny Jirama sy ny Minisitry angovo ary ny lehiben’ny faritra Atsinanana ny volana febroary teo ?Dr Rakotomanana Gervais: Miarahaba ny rehetra ihany koa nahatratra ny androm-pamonjena. Efa nisy tokoa ny fihaonana ny volana febroary teo izay efa nifameperana fa hotanterahina ny asa, tsy tanteraka tsara anefa izany izao. Ny antony, araka ny tatitra azoko nomen’ny Jirama, dia vokatry ny fiandrasana fitaovana avy aty Antananarivo. Efa nilaza ny Jirama fa efa ho tonga izy io dia andrasana izany ny fametrahana azy tsy ho ela amin’ny fotoana hahatongavany.
T.T: Dia inona izany ireny fidinana teny amin’ny fokontany nataonao sy ny ekipanao ary ny Jirama ireny ?
Dr Gervais: Marina izany. Natao ireny hahalalana marina ny filan’ny fokontany amin’ny hazavana sy ny toerana tokony hametrahana ireo fitaovana sy takamoa hanazava ny tanàna. Fa tsoriko aloha fa hisy ny fihaonana hataoko amin’ny Jirama Toamasina hamahana haingana ity olan’ny jiro, mahatonga ny Toamasina tsy mety mazava ity. Raha tsy voavaha eto ny olana dia tsy maintsy hihaona amin’ny tale jeneralin’ny Jirama mihitsy ny tenako, tsy azo atao haizina ny fiainan’ny vahoaka satria mandoa vola ho fiantohana ny hazavana sy rano madiom-pokonolona ho azy ny mponina amin’ny alalan’ny hetra alaina aminy amin’ny taratasim-bolan’ny Jirama aloany. Efa mananiky ny 1.000 tapitrisa ariary mahery eo mantsy ny volam-bahoaka eny amin’ny Jirama eny tokony haverina any aminy amin’ny alalan’ny asa atao ho azy.
T.T: Milaza ny hanampin-dalana koa ianareo Kaominina ato ho ato, rahoviana izy io, ary lalana aiza avy no hanaovana ny asa ?
Dr Gervais: Monsieur le Maire tsy milavo lefona, tsy maintsy vita ny asa nifanomezana toky tamin’ny vahoaka nifidy ny tena. Hisy tokoa ny ho fanampenana ireo lavadavaka amin’ny lalana izay efa tena simba ny ankamaroany eto an-tampon-tanàna. Fiaraha-miasan’ny Kaominina sy ireo orinasa tsy miankina no hanaovana azy, ka anisan’izany ny Colas, ny UBP, ny Smatp ary ny tetikasa Ambatovy. Ireo “Boulevard” sy “rue” izay hita fa tena simba no hamboarina mialoha amin’ny fanampenana ny lavaka aminy, ho hita eo ny ho fanohizana izany avy eo amin’ny lalana hafa indray. Izay vola kely eo am-pelatanan’ny Kaominina hifanampiana amin’ny mpiara-miombona antoka rehetra no hanombohan’ny asa.
T.T: Aiza kosa anefa ilay vola 200 tapitrisa ariary nambaran’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana fa hanampiana ny Kaominina izay voalaza fa herintaona no nahazoana azy tamin’ny filohan’ny HAT ?
Dr Gervais: Tsy haiko ny momba izany, fa aleo angamba ny lehiben’ny Faritra no anontanianareo mikasika izany. Tsy naharay izany aloha ny Kaominina hatramin’izao, fa ny fahalalako azy dia ny lehiben’ny Faritra no mihazona sy mikirakira ilay izy efa herintaona marina izao. Na izany aza, mitohy sy miara-miasa hatrany ny Faritra Atsinanana sy ny Kaominina amin’ny fanatsarana ity renivohitry ny faritra ity.
Nangonin’i Rakoutou sy RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.