Actualités

Doing business 2010 Mbola manome lanja ny fitondrana Ravalomanana


  • Talata 16 Martsa 2010

Niakatra teo amin’ny laharana faha-134 raha tany amin’ny faha-144 amin’ireo firenena 183 maneran-tany no nisy an’i Madagasikara tamin’ity taona ity, tamin’ilay fanasokajiana antsoina hoe : «Doing Business».

Herintaona taorian’ny nanonganana an-dRavalomanana tamin-kery dia manamafy ny antontanisan’ny Banky iraisam-pirenena fa nahomby ny politikam-pitantanany. Ny volana jona 2008 ka hatramin’ny volana mey 2009 no nanaovan’ny Banky ny fanadihadiana. Fanadihadiana izay mifototra indrindra amin’ny famoronana orinasa, ny fanomezana asa, ny resaka fampindramam-bola, ny fiarovana ny fampiasam-bola vahiny, ny fandoavan-ketra, ny fanakatonana orinasa.

Araka ny fanazavana, dia teo amin’ny famoronana orinasa no tena nisongadina izay fivoarana izay. Ankoatra ireo, dia tarehimarika anisan’ny nampitan-takolaka koa ny fahitana fa dia nahazo ny laharana faha-4 i Madagasikara aty Afrika raha ny fivoaran’ny harin-karena faobe na ny PIB. Tsara ny mahafantatra fa tany amin’ny laharana faha-84 maneran-tany no efa mba nisy antsika teo amin’ny fampiasam-bola vahiny ary teo an-dalana ho isan’ireo firenena sokajiana ho « grande destination » eo amin’ny sehatry ny fizahantany ity nosintsika ity nialoha ny fanonganam-panjakana. Tany amin’ny laharana faha-39 manerana izao tontolo izao, hoy New York Times tamin’ny taona 2008.

Araka izany, dia mazava be fa efa nizotra tamin’ny lalana tokony ho nalehany i Madagasikara. Tsy dia hoe tonga lafatra akory ny fitantanana tamin’izany fotoan’andro saingy voaporofo ary niaiky izany ny sehatra iraisam-pirenena fa nisy fandrosoana ary nisy finiavana avy tamin’ireo mpitondra fanjakana.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT