Actualités

CENI Rakotoson Henri no hisolo tena ny Mpitsara


  • Talata 16 Martsa 2010

Rakotoson Henri, filohanny fitsarana misahana ny ady aminny fanjakana eo anivonny fari-piadidiani Toamasina no hisolo tena ny sendikanny mpitsara ao aminny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na ny Ceni.

Mpitsara 65 tamin’ny 180 nandatsa-bato no nanome fahatokisana azy nandritra ny fifidianana notontosain’ireo mpitsara tetsy amin’ny lapan’ny fisarana ambony Anosy omaly. 9 ny isan’ireo kandida nirotsaka hofidiana ka andriambavilanitra ny 5 tamin’ireo. 5 taona no fe-potoam-piasan’ireo mpikambana 19 ao amin’ny Ceni, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra ny alakamisy 11 martsa teo. Anio ihany, raha tsy misy ny fiovana, dia efa hanao ny fianianana izy ireo raha ny fanazavan’ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara, August Marius Arnaud. Noho ny hamehana moa dia efa nanolotra an-dRakotondrasoa Roger hisolo tena ny Smm ao amin’ny Ceni ny birao mpitantana ny sendikan’ny mpitsara ny zoma 12 martsa teo saingy nolavin’ireo mpitsara nivory omaly izany izay nahatonga ny firosoana tamin’ny fifidianana. Mipetraka ihany koa anefa ny adihevitra raha mahasolotena marina ireo mpitsara Rakotoson Henri satria tsy nahatratra ny 2/5-n’izy ireo akory no tonga nifidy omaly. 180 monja mantsy no nandatsa-bato raha 700 ny isan’ireo mpitsara am-perinasa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT