Actualités

CENI : Notendren’ny FAT samirery ny mpikambana


  • Alakamisy 25 Martsa 2010

Voatendry omaly, nandritra ny filankevitry ny Minisitra notarihin’i Andry Rajoelina, tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ireo mpikambana, na tsy izy rehetra aza, ao amin’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na CENI.

Miisa 19 ny mpikambana nofaritan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, ho ao amin’ny CENI, ny 16 amin’izy ireo no notendrena omaly, fa ny telo ambiny dia iandrasana tolotra avy amin’ny mpanao politika, avy amin’ny ankolafy telo no marimarina kokoa. Namoahana didim-panjakana, 2010-142 ny 24 martsa 2010, ny fanendrena azy ireo. Mizara sokajy telo ny mpikambana, misy ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, manana toerana folo izay voatendry avokoa, ao ny solontenam-panjakana izay manana toerana roa ary efa voatendry avokoa, ary ny avy amin’ny sehatra politika, manana toerana fito, ka ny efatra no efa voatendry. Fanapahan-kevitra samirerin’i Andry Rajoelina sy ny ankolafy tarihiny ity fananganana CENI ity. Tsy mahagaga raha olona voasazin’ny sehatra iraisam-pirenena no mbola tendrena ho mpikambana ao anatiny, toa an-dRanampy Gisèle, mpitsara avo momba ny lalàmpanorenana. Ao anatin’ilay lisitra 109 voasazy izy. Midika izany fa miandany amin’ny mpanongam-panjakana izy.

Hagagana koa ny an’ny mpanao gazety mandre ny anaran’i James Ramarosaona, misolo tena ny mpanao gazety ao amin’ny CENI, amin’ny anaran’ny holafitry ny mpanao gazety. Rufin Rakotomaharo no filoha amperin’asa farany teo anivon’ny holafitra ary tsy mbola nisy fifidianana nanolo azy tamin’izany toerana izany, na efa nihoatra aza ny fe-potoana nitantanany ny holafitra. Nisintaka teo amin’ny asa fanaovan-gazety fa lasa nanolotsaina ny kolonely Camille Vital i James Ramarosaona, ka eo no manaitra hoe fifanarahana avy aiza no mametraka azy amin’izany CENI izany, satria betsaka amin’ny mpanao gazety amperin’asa no milaza ho tsy mahalala. Raha nisy fifanarahana tany ambadimbadika tany, dia tsy nahazo fankatoavan’ny mpanao rehetra amperin’asa sy manana karatra maha mpanao gazety ara-dalàna izany.

Raha akapoka dia vao teraka dia handringa ity CENI ity, ary ahiana ho fototry ny korontana eto Madagasikara indray aza. Ankoatra azy ireo dia anisan’ny mpikambana ao amin’ny CENI-n’ny FAT irery, Rasoatsinampoizina Aubièrge Sidonie, Rakotoarison Bruno, Andrianirina Mamy Auguste, Rafolisisoa Hanitriniala, Ralevason Hery Tiana, Rakotomanana Herinirina Yves, Tahindro Gervais, Rakotoson Henri, Jean, Andrianarisata Olivier Sylvère, Rakotonirina Fanomezantsoa, Ratovondrajao Fredon Armand, Raherison Frediss Alvin ary Raharinarivonirina Maria Sylvie. Hanao fianianana eo anivon’ny fitsarana tampony ireto mpikambana vao notendrena ireto rahampitso zoma.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT