Actualités

«Bois de rose» Azo aondrana indray


  • Alakamisy 08 Aprily 2010

Mifamahofaho be ihany ny resaka manodidina ity raharaha “bois de rose” ity. Misy hatrany taratsy sy didy ary fanapahana mivoaka etsy sy eroa mikasika azy, ary mazŕna dia mifanohitra izy ireo, ka ao ny manakana, ao ny mandrisika ary ny mamela malalaka amin’ny fanondranana azy.

Ny alarobia 31 martsa teo, dia nisy ny taratasy navoakan’ny minisitry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, mitondra ny laharana 155/MJ/SP/10, ary nalefa any amin’ny talen’ny ladoany sy ny lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ary ny tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ho fanatanterahana ny didy raikitry ny fanapahana CATO-14/REF/10 ny 16 martsa 2010. Milaza io taratasy io fa azo aondrana malalaka ireo kaontenera miisa 69 misy “bois de rose” nogiazan’ny fanjakana tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina satria efa nahaloa ny hetra sy ny haba samy hafa tamin’ny fanjakana ary tsy manana olana amin’ny fitsarana Malagasy. Tanisain’ilay taratasy ihany koa ireo mpandraharaha tompon’ny entana, dia i Malohely manana kaontenera 10, 13 an-dRamialisoa, 33 an’i Laisoa ary kaontenera 13 tsy misy olana an’ny Etablissement Rabenandrasana. Voalaza mazava ao anatin’ilay taratasin’ny minisitra Razanamahasoa Christine koa anefa fa tsy mahazo manondrana ny «bois de rose»-ny kosa i Thunam manana kaontenera 13 miampy ilay 12 misy olana amin’ny fitsarana sy Ranjanoro manana kaontenera 10, na efa samy nandoa ilay vola 71 tapitrisa ariary isaky kaontenera aza izy mirahalahy ireo araka ny didy navoakan’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola.

Fanapahan-kevitra iraisana
Miteraka olana eo anivon’ny mpanatanteraka ny baiko ao Toamasina ity taratasin-dRazanamahasoa Christine nivoaka ny alarobia 31 martsa ity. Araka ny toromarika azon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ladoany sy ny seranan-tsambo ary ny fitsarana sy ny fiadidian’ny faritra Atsinanana, dia tsy maintsy fanapahan-kevitra iarahan’ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola, ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana toetr’andro ary ny Minisiteran’ny fitsarana, vao manan-kery ny famoahana ireo kaontenera misy «bois de rose» nogiazan’ny fanjakana ireo. Farafaharatsiny ny roa amin’ireo minisitera ireo no mandray ny fanapahana hotanterahina. Miandry izay ho valin-tenin’ireo minisitera hafa izany no ahafahan’ireo mpandraharaha ireo manondrana ny entany, satria araka ny fantatra dia naverina aty Antananarivo ilay taratasin’ny minisitry ny fitsarana hakana ny valintenin’ireo minisitera hafa tokony hiara-hanao sonia ny fanapahana raisina. Raha ny didy 38244 ny 21 septambra 2009 sy ny didy 003/2010 ny 28 janoary 2010 no arahina dia ara-dalàna avokoa ny 69 amin’ireo kaontenera misy «bois de rose» voageja ao amin’ny seranan-tsambo ireo. Ny lalàna na ny didy vaovao mantsy tsy mihatra na mitsara ny teo aloha fa ny aorian’ny fivoahan’ny didy na ny lalàna avokoa, ka ireo kaontenera 10 an-dRanjanoro, miampy ny 33 an’i Laisoa, sy ny 13 an-dRamialisoa ary ny 13 an’i Thunam, dia efa voatrandraka talohan’ny fivoahan’ireo didy ireo avokoa. Milaza izany mazava ny fifanazavana ao amin’ilay didy hitsivolana CATO-14/REF/10 tamin’ny fitsarana ady maika ao amin’ny fitsarana ambaratonga ambony, ka eo no mampiahiahy amin’ity raharahana hazo sarobidy ity.
 
Lasibatra
Anisan’ny nampihantona ny filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina mandritra ny enim-bolana, ary saika nampihantona ny filoha voalohany ny Fitsarana ambaratonga ambony ao Toamasina ihany koa ity raharaha hazo sarobidy ao amin’ny seranan-tsambo ity. Resy hatrany mantsy ny fanjakana nandritra ny fampakarana ny raharaha tamin’ny ady maika. Nisy didy hitsivolana roa mantsy nivoaka teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ny voalohany laharana 1552-AG/09 izay milaza ny fahazoana mandoa ilay vola 71 tapitrisa ariary ho an’ny Etablissement Thunam tamin’ilay kaontenera 12 nanana olana ankoatra ireo kaontenera 13 hafa. Nisy koa ny laharana 1573-AG/09 ny 13 novambra 2009 mamela malalaka ireo kaontenera 79 tsy misy olana taorian’ny fandoavana ilay vola 71 tapitrisa ariary isaky ny kaontenera. Voakasika izany avokoa ny an’Atoa isany Ranjanoro, Laisoa, Ramialisoa, Malohely ary an’ny Etablissement Thunam. Nanohitra izany teny amin’ny fitsarana ambony anefa ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny ala ny faritra Atsinanana amin’ny maha solontenam-panjakana azy ny 16 desambra 2009. Nivoaka anefa ny didy laharana 283/AGR/09 ny 30 desambra 2009 milaza fa tsy mitombina ny fanoherana nataon’ny fanjakana, ka nivoahan’ny didy hitsivolana laharana CATO-14/REF/10 ny 16 martsa 2010 teo milaza fa manana ny rariny ireo mpandraharaha «bois de rose» hanondrana ny entany, afa tsy i Thunam sy Rabenandrasana.
 
Resaka fampandriana adrisa fotsiny izany hatreto ilay didim-panjakana laharana 2010-141 noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 24 martsa 2010 teo, fa toa natao maimaika rehefa nahery vaika loatra ny hetsika nataon’ny vondrona iraisam-pirenena nanara-maso sy nanao fanadihadiana mikasika ity fanimbana ny ala sy ny valan-javaboary iraisam-pirenena eto amintsika ity. Hatramin’izao mantsy dia nijanona ho soratra ilay didim-panjakana nolazaina fa notapahana, fa ny sonian’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita tsy mbola vita rangopohy eo amin’izany didim-panjakana izany, ka mampananosarotra ny asan’ireo mpanara-maso ny momba izany. Dia samy miandry izay ho tohiny izany, na ny fahavitan’ny sonia ilay didim-panjakana, na ny momba ity taratasy noraisina maimaika teo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana Malagasy ity.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT