Lanonana roa sosona no nokarakarain’ny talem-paritra Atsinanana momba ny ala sy ny tontolo iainana ny zoma tontolo andro teo.
Teo ny fitokanana ny efitrano izay namboarina tamin’ny vola manokan’ny Talem-paritra, ary ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao nataon’ny mpiasa sy ny mpiara-miombon’antoka ary ireo nasaina manokana. Mitentina 80 tapitrisa ariary ireto trano vao vita notokanana teo anivon’ny talem-paritry ny ala sy ny tontolo iainana ho an’ny faritra atsinanana ireto. Ny 50 tapitrisa ariary trano misy efitra 6 atao birao hanampiana ilay trano teo aloha ary ny 30 tapitrisa ariary dia nanamboarana ilay magazay misy efitra 2. Ilay vola madiodion’ny talem-paritra antsoina hoe “AFARB”, kaonty manokana eny anivon’ny Trésor, no nakana ny vola rehetra nanamboarana ireto trano notokanana ireto. Nambaran’ny lehiben’ny faritra atsinanana Alain Mahavimbina fa “ho foana miaraka amin’ireto trano vaovao sy tsara ireto ny fanaovana gaboraraka amin’ny harem-pirenena any amin’ny faritra atsinanana”. Ny talem-paritra kosa nilaza fa “didim-pitsarana sisa no andrasana mikasika ireo andramena na “bois de rose” ao amin’ny seranan-tsambo”. Nambarany hatrany fa “tsy mbola misy ny fivoahana tolo-bidy mikasika ireo bolabola ireo hatramin’izao”. Ankoatra izay, dia nohararaotina tamin’izao fitokanana izao koa ny nanomanana lanonana teo anivon’ny talem-paritry ny ala sy ny tontolo iainana. Omby roa no saika hovonoina, ny iray ihany no maty, ny mpihinana zara raha nisy 50 raha an-jatony no nasaina tamin’izao lanonana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.