Actualités

Blueline Hanolotra zava-baovao ho an’ny mpanjifany


  • Alarobia 10 Martsa 2010

Nanomboka tamin’ny taona 1997 ny Blueline no nikirakira ny Internet teto Madagasikara ka namatsy ireo mpanjifa. Hisy tsy ho ela ny tolotra vaovao omeny ireo mpanjifany.

Manoloana ny fivoarana misy ankehitriny, dia hanatsara ny sehatra famatsiany ireo mpanjifany izy na eny anivon’ny orinasa na eny amin’ny tsirairay, fametrahana fotodrafitrasa vaovao  ho an’ireo mpanjifany, fametrahana tambajotra vaovao ho an’ny vokatra Internet ho an’ny orinasa ary serasera hampahafantarana izany zava-baovao izany eny amin’ny tsena.

Hatramin’izao moa, dia nampiasa ny marika FreeDSL ireo mpanjifa tsotra raha Blueline kosa ny an’ireo orinasa. Manomboka izao, dia ity marika Blueline ity no hampiasain’ireo mpanjifa tsy ankanavaka. Ireo mpampiasa ny FreeDSL dia mbola mitazona  ireo fampiasany teo aloha mandra-pivoakan’ny tolotra vaovao izay hanomboka amin’ny volana aprily 2010. Ho fampahafantarana izany, dia hisy ny mari-pamantarana vaovao. Momba ny sarany kosa, dia hitovy avokoa izany na ny any amin’ny faritany na ny eto Antananarivo. Efa mihena moa ny sarany ankehitriny, ary eny amin’ny mpanjifa tsotra, dia efa nihena hatrany amin’ny 50% izany.
Fantatra ireo nandritra ny valandresaka nataon’ity orinasa Blueline ity tamin’ny mpanao gazety omaly notarihin’ny Tale Jeneralin’ny orinasa Damien de Lamberterie, ny Tale ara-barotra Matthieu Mertian ary ny tompon’andraikitry ny serasera Tsantarimamba Ranaivo.
                                                                                                                                                      

Rabe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT