Raha mbola miato avokoa ny fanohanan’ny Banky iraisam-pirenena ireo fandaharan’asa amin’ny sehatry ny fanabeazana dia mandinika ny hoavin’ny politikam-panabeazana izay hiarahany miasa amin’ny fitondram-panjakana lanim-bahoaka ara-dalàna ity mpamatsy vola ity.
Efa namolavola drafitra momba ny politikam-panabeazana heveriny fa mety ho an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena ka nanolotra izany hodinihan’ireo manana andraikitra na miasa eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana. «Raha atao bango tokana ny drafitra atolotray dia ny fikatsahana ny fahatafitan’ny mpianatra amin’ny sokajy farany ambony any an-tsekoly, ny fampifandraisana ny fampianarana sy ny asa, ny fanatsarana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fanapahan-kevitra momba ny politikam-panabeazana ary fananana mpianatra mahay», hoy Ramanantoanina Patrick, senior specialist momba ny fanabeazana eo anivon’ny banky iraisam-pirenena. Niadian-kevitra tetsy amin’ny biraon’ny Banky iraisam-pirenena tetsy Anosy indray io drafitra io omaly ka nandray anjara tamin’izany ireo tompon’andraikitra misahana ny fanabeazana miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ny fiarahamonim-pirenena ary ny fikambanana tsy miankina isan-karazany. Samy nanana ny heviny ny mpizaika saingy nifantoka tamin’ny fanofanana mpampianatra, ny teny hampianarana ary ny fampidirana an-tsekoly ny dinika raha akapoka. Nomarihin-dRamanantoanina Patrick moa fa politikam-panabeazana ihany no noresahana fa tsy miditra amin’ny resaka fandaharan’asa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.