Notanterahina tao amin’ny lapan’Anosikely, ny Talata 23 martsa ny dinik’asa izay niarahana tamin’ny Minisitry ny fitantanam-bola, Rajaonarimampianina Hery, ny solontenan’ny Minisitry ny toekarena, ny solontenan’ny Minisitry ny Angovo ary ny Governoran’ny Banky foibe Ramamonjisoa Frederic.
Io fivoriana io moa dia notarihan’ny jeneraly Rasolosoa Dolin ary notronin’ireo mpiara-mikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita sy ireo solontenan’ny mpandraharaha vitsivitsy. Ny tanjona amin’izany dia ny mba hahafahana manome fahafaham-po ny vahoaka Malagasy. Ny lohahevitra nodinihina tao dia ny politika vaovao ara-toekarena sy ara-bola hanafoanana ny fahantrana eto Madagasikara.
Voamarina tao, araka ny voalazan’i Joseph Yoland (Filohan’ny vaomiera ara-toekarena), fa ny 80%-n’ny vahoaka Malagasy dia mahantra, 90%-n’ny harena no voatrandraka, ka 10% monja no trandrahan’ny Malagasy fa ny sisa an’ny vahiny. Manoloana izany dia nanapa-kevitra izy ireo fa hampitrandraka ny vahiny ireo harena ireo fa hasiana fitsipika hifampifehezana Nolazain’ny Governoran’ny Banky Foibe fa raha ny mikasika ny vola Malagasy dia voaaro tanteraka satria hatramin’izay nisian’ny krizy izay dia tsy nisy ny olana. Ny famatsiana ara-toekarenan’ny famokarana dia voaara-maso isan’andro, ny famatsiana ny fanjakana dia tsy nisy ny findramam-bola nataon’ny tahirim-bolam-panjakana tao amin’ny Banky Foibe. Ny tahiry eo amin’ny vola vahiny dia mbola misy miabon’ny 900 tapitrisa dolara izay mitsinjara ho 150 tapitrisa ampiasaina amin’ny tetikasan’ny FMI ary ny 750 miantoka ny fanefana trosa any ivelany.
Raha momba ny ao amin’ny Minisiteran’ny fitantanam-bola kosa no lazaina araka ny nanambaran’ny Minisitra azy, dia 3000 miliara atokana ho an’ny tetibola fampandehanan-draharaha sy ho an’ny fampiasam-bolam-panjakana. Eo amin’ny resaka fifidianana dia 2000 miliara an’ny fampandehan-draharaha ary 1000 miliara an’ny fampiasam-bola. Nomarihiny tao fa na dia teo aza ny krizy, voaefa daholo ny trosa 2009, ny sehatr’asa isan-karazany dia mivoatra daholo, ny vola miditra ao amin’ny hetra koa dia miakatra satria niakatra 100% tato anatin’ny roa volana. Araka ny heviny dia ny fampitomboana ny vokatra ny fambolena amin’ny alalan’ny fanohanana ny tantsaha no vahaolana, ny sehatr’asa tsy miankina amin’ny Fanjakana no kitro ifaharan’ny firenena, ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany ihany dia mahasolo ny vola tokony homen’ny mpampindram-bola avy any ivelany. Ny komity ara-teknika izay hamolavola ny drafitra amin’io politika vaovao ara-toekarena sy ara-bola io dia tokony hanana toe–tsaina mahay miraharaha, tia karokaroka, vonona hiatrika ny tranga hisy ary manao tetikasa maharitra ela. Ny solontenan’ny Minisiteran’ny angovo moa dia nilaza fa tokony haodina avy aty ny vato vao aondrana.
Rabe
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.