Banga iray ny mpanao gazety malagasy. Nodimandry tamin地y 4 aprily teo amin地y faha-47 taonany tao amin地y hopitaly HJRA Rasolonjatovo Gilbert, tonian地y fanoratana ao amin地y gazety 典ia Tanindrazana.
Efa Talen’ny famoahana ny gazety mpivoaka isan’andro «Le Quotidien» tao amin’ny groupe MBS izy, efa mpanoratra tao amin’ny “Gazetin’ny Gasy” nialoha ny nahatonian’ny fanoratana tao amin’ny “Tia Tanindrazana” sy ny “Le Dimanche” ao amin’ny groupe “Vidy Varotra” azy. Lavo am-perinasa Rasolonjatovo Gilbert, nolaingosan’ny aretina raha mbola teo amin’ny fisandratana amin’ny asa fanaovan-gazety sy nitondra ny anjara birikiny teo amin’ny fandavorariana izany. Dada Zily, f’izay mantsy no fiantso mahazatra ny mpiara-miasa azy, hilazana fa zoky toy ny iray tampo izy, tsy nitsitsy teny raha nisy ny tsy nifanaraka amin’ny filan’ny asa, rahalahy na anadahy, mpanoro amin’ny zavatra mahasoa, nifampizara ny manta sy ny masaka. Banga ny toerany amin’izao fahalasanany izao. Izy anefa no nandao, fa ny zavatra natombony, dia nanao dina ny mpiara-miasa fa hanohy izany ary hanao tsaratsara kokoa izany hatrany. Rahampitso no hametrahana ny nofo mangatsiakany any amin’ny fasan-drazany any Mandiavato Miarinarivo. Namela mananontena sy kamboty telo miarahavavy Rasolonjatovo Gilbert. Izahay mpiara-miasa rehetra eto amin’ny “Tia Tanindrazana”, dia mivavaka ho an’ny fialantsasatry ny fanahiny sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.