Niato tanteraka nanomboka tamin’ny volana martsa teo ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Vondrona eoropeanina momba ny ARMP (Autorité de régulation des marchés publics) izay sampandraharaha iray manara-maso ny maha ara-dalŕna sy manaraka ny fenitra ireo tolo-bidy rehetra ataon’ny fanjakana amin’ny asa isan-tsokajiny imasoany.
Midika izany fa mamelon-tena ary mizatra tsy misy mpamatsy vola ny ARMP manomboka izao. Zavatra tsy mora izany kanefa tsy tokony hampisavorovoro, hoy ny tompon’andraikitra. Tao anatin’ilay bolongam-bola natokana ho amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana izy ity, ka rehefa nitranga ny fanonganam-panjakana sy ny fandrombaham-pahefana teto, ary tsy nety tafaverina tao anatin’ny ara-dalàna neken’izao tontolo izao ny teto Madagasikara dia nanapa-kevitra ny hampitsahatra ny famatsiam-bolany ny ankamaroan’ireo mpamatsy vola mahazatra, anisan’izany ny banky iraisam-pirenena sy ny vondrona eoropeanina. Ny mampanahy amin’izy ity dia ny mety hiverenan’ny gaboraraka eo anivon’ny tsena eo anivon’ny fanjakana satria rehefa nihena ny vola miasa, dia mety tsy handeha araka ny tokony ho izy ny fomba fiasa, ka ho mora amin’ireo mpanao afera indray no hanao izay danin’ny kibony. Misy vola be mifamezivezy tokoa mantsy ny famoahana ny tolo-bidy eo anivon’ny « marchés publics », ary maromaro ihany no mitaraina amin’io sehatra io satria matetika dia misy ireo olona mahitahita ka mandrombaka ny tolo-bidy rehetra any ambadimbadika any. Izany indrindra no antony ametrahana sampan-draharaha hanara-maso azy. Rehefa tsy misy intsony anefa ny famatsiam-bola dia mety tsy afaka miasa tsara araka ny tokony ho izy intsony izany sampandraharaha izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.