Actualités

Antaninarenina Jiolahy roa lavon’ny Gir


  • Talata 23 Martsa 2010

Nandriaka indray ny ra. Jiolahy roa no lavon’ny balan’ny polisin’ny Gir teny Antaninarenina omaly tamin’ny misandratr’andro.

Raha ny feo nandeha teny an-toerana dia niomana hanafika olona hanatitra vola ao amin’ny banky Boa eny an-toerana izy roalahy ireto. Nihaodihaody teny amin’ny zaridaina ry zalahy nitily ilay olona hotafihina. Fotoana fohy monja anefa dia tonga teny an-toerana ny polisy roalahy nanao fanamiana sivily rehefa nahazo antso an-tariby avy amin’ny mpanome vaovao. Nikisaka tsimoramora nihazo ny lalana mankany Isoraka ireto jiolahy izay narahan’ireo mpitandro ny filaminana akaiky ihany koa. Nasain’ireto farany nihohoka tamin’ny tany izy ireo avy eo. Teo am-piokohofana indrindra dia nahodin’ny iray tamin’ ireto jioalahy nankaty anoloana ny sakaosiny izay nitondrany basy “kalachnikov” saika hitifirany ireo polisy. Haingana kokoa anefa ireto farany raha nahatsikaritra ny lohan’io basy mahery vaika io ka nitifitra avy hatrany. Lavo teo no ho eo ihany izy roalahy ary nandriaka ny ra. Niparitaka hatramin’ny lohany mihitsy satria mbola nahitana potika atidoha teny an-toerana. I Lovakely sy Alfred, jiolahy mpiaraka amin’ny Dorick ireto tratra ireto raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT