Actualités

Ankolafy Madagasikara Miandry sioka tokana sisa


  • Alakamisy 11 Martsa 2010

Raha nipoaka ny sarom-bilany ny sabotsy lasa teo teny amin’ny kianjan’ny ara-dalàna dia hanao hetsika goavana indray ny ankolafy Madagasikara ahitana ny firehana Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert, amin’ny sabotsy ho avy izao.

Toerana maromaro no nangatahin’ity ankolafy hanaovana hetsika amin’io sabotsy io dia ny eny amin’ny kianjan’ny fampihavanana Anosy, Antsahamanitra, kianjan’i Malacam, ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ary Antsonjombe, araka ny tatitra nataon’ny pastora Edouard. Tsy ho ela dia ho avy ny sioka tokana, araka ny fanazavan-dRakotoamboa Jean Louis. Tsy hijanona ny hetsika raha tsy tafapetraka ny tetezamita iraisana, araka izay voafaritry ny satan’i Maputo sy Addis Abeba, hoy ihany ny filohan’ny Teza izay milaza fa ampy izay ny fifanazavana fa efa miroso amin’ny fanafoanana ny FAT.

Araka ny fantatra dia miasa be ireo filoham-pirenena telo mirahalahy, miezaka mandresy lahatra ireo mpamatsy vola hiverina sy hamerina ny asa. Ho an’ny Amerikanina, araka ny fanazavana, dia azo averina dinihina amin’ny volana jona ho avy izao ny dosie Madagasikara, hamerenana ny AGOA raha toa ka tafaverina ao anatin’ny ara-dalàna i Madagasikara. Manoloana izany dia tonga ny fotoana tsy maintsy hijoroana, hoy ihany Rakotoamboa, niantso ireo mpiasa eny anivon’ireo orinasa afaka haba. Rehefa tonga àry ny «sioka tokana» dia tsy hisy hijanona any an-tokantrano ny olona manomboka amin’ny sivy ora maraina ka hatramin’ny efatra ora hariva fa hanao filaharam-be. Araka izany dia herinandro hanehoan-kevitra sy hanehoan-kery ny andro ho avy ato ato.

 Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT