Nivoaka omaly alarobia 24 martsa ny “grosse” na didim-pitsarana mikasika ny fanapahana, «Arręt», laharana faha-19 navoakan’ny filankevi-panjakana tamin’ny 18 martsa 2010, manafoana ny didim-pitondrana laharana 49644 navoakan’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany, tamin’ny 19 novambra 2009, manendry delegasiona manokana hitantana ny tanŕnan’i Manakara.
Midika io fa dia resy tanteraka ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, mikasika iny raharaha iny. Mandray tanteraka ny asa maha Ben’ny tanàna azy i Andriano Giscard ary mangoron’entana ao amin’ny Kaominina manaraka izay ny delegasiona manokana, tarihin’ny filohany, Sileny Alban, ary tsy mampanankery ihany koa ny didim-pitondrana laharana faha-41/09/REG/VAT-FIT/CR navoakan’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny 21 desambra 2009 mampihatoana vonjimaka amin’ny asany ireo mpikambana rehetra ao amin’ny birao mpanatanteraky ny Kaominina Manakara sy ny Delegasiona manokana.
Nisafotofoto ihany ny fandehan-draharaha tao Manakara taorian’ny namoahan’ny lehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, Rakamisilahy Martial, taratasy mitondra ny laharana faha-20/2010/REG/VAT.FIT/CR ny datin’ny 04 febroary, nalefany tany amin’ny Ben’ny tanàna mampahafantatra ity farany fa mandray ny asany hitantana ny tanàna ny delegasiona manokana, ho setrin’ny taratasy nalefan’ny Ben’ny tanàna tamin’ny Lehiben’ny Faritra ny 22 janoary ary ho fampiharana ny didy hitsivolana 2010-01 tamin’ny 10 janoary 2010, manova ny lalàna fehizoro 2004-036 tamin’ny 01 oktobra 2004 milaza ny fandaminana ankapobeny sy ny andraikitra ary ny paikady fanao eny amin’ny Fitsarana tampony sy ireo sampana telo mandrafitra azy. Vokatr’io taratasy io dia nanokatra birao ho azy manokana tao amin’ny rihana ambanin’ny tranon’ny Kaominina koa ny Pds, ary nisisika nanao sonia ny taratasin’ny Kaominina, eny fa hatramin’ny famoaham-bola aza. Vao mainka nanamafy izany ny naoty navoakan’ny Primatiora lefitra misahana ny atitany ny 15 febroary manendry ny Pds ho “Gestionnaire de crédit” ao amin’ny Kaominina.
Nivoaka ankehitriny ny didim-pitsarana avy eny amin’ny Filankevi-panjakana. Manoloana izany dia velon’ahiahy ireo olona nanan-draharaha tao amin’ny Kaominina ka nosoniavin’ny Pds ny taratasiny, toy ny kopian’ny sora-piankohonana, na manan-kery ara-panjakana na tsia ireny taratasy ireny.
“Milamina ny tanàna”, hoy i Andriano Giscard raha nanontaniana. Misy feo mandeha anefa fa tsy hipetra-potsiny ny ekipan’ny PDS fa hanohitra izany didy navoakan’ny Filankevi-panjakana izany ary mikasa ny hamory olona indray anio hitokona eo anoloan’ny biraon’ny Kaominina, raha tsy nahomby izany tamin’ny talata teo. “Feo iniana aely izany, fa tsy miraika amin’izany ny mponina eto Manakara. Ny fanarenana ny simba tamin’ny rivodoza, sy ny sakafo hohaniny izao no manahirana azy”, hoy ny Ben’ny tanàna. Nampitandrina ity farany, fa tsy hipetra-potsiny raha misy fanelingelenana ny tanàna. Tetsy an-danin’izany dia milaza ny tsy hijanona amin’izao koa ny ekipan’ny PDS, fa hanery ny governemanta hamoaka didim-panjakana hanamafy ny fanendrena delegasiona manokana. Manoloana izany dia notsorin’i Andriano Giscard fa “raha mikorontana i Manakara dia ny ataon’ny governemanta”.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.