Actualités

Analakely Fisamborana faobe no nanamarika ny Alakamisy Masina


  • Zoma 02 Aprily 2010

Niavaka noho ny hafa indray ny alakamisy Masina omaly teto an-drenivohitra. Hafa kely toy ny zava-nitranga ny 29 martsa koa.

Ankoatra ny naha voalohan’ny volana aprily, izay andro ataon’ny rehetra ho andron’ny lainga na ilay antsoina hoe “poisson d’avril” dia andro hafa kely tokoa ny omaly. Akory ny hatairan’ny rehetra izay nandalo teny Analakely omaly. Tsy lainga na honohono na koa vazivazy fa dia olona am-polony maro, hatramin’ny 90 tany ho any no indray noraofin’ireo mpitandro ny filaminana. Olona izay voasokajy fa “mpanao bizna” eny Analakely eny ny ankamaroany, araka ny vaovao, dia ireo mpanakalo vola, mpanamboatra finday mpivarotra fiara sy volamena. Nisy hatramina teratany vahiny aza voafaoka tao ihany koa. Ankoatra ireo dia nisy ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana voasambotra. Ny fisamborana ireo maneho hevitra, mitaky ny fampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba moa dia efa hatramin’ny herinandro lasa no nanomboka izay fisamborana izay. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina no noraofin’ny mpitandro ny filaminana azy ireo ka avy hatrany dia nentina teny amin’ny Brigade Criminelle Anosy. Manomboka manahirana, voatohintohina ny fivezivezena eny Analakely sy ny manodidina eny satria tsy fantatra intsony izay hanjo ny tena. Misy ireo manao vazivazy hoe akanjo inona izany no tokony hisalorana mba tsy hisamborana ny tena raha handeha eny Analakely. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT