Actualités

Ambatondrazaka Nirotsaka an-dalambe ny mpianatry ny St Joseph


  • Talata 16 Martsa 2010

Nanaitra ny mponin’Ambatondrazaka iray vohitra ny nahita ny mpianatry ny sekoly katolika ao amin’ny St Joseph, nilanja sorabaventy nanodidina ny tanàna.

Fitakiana ny fialan’ny frera “survéillant général” no fototry ny olana. Toy ny fanao isaky ny alatsinainy maraina, dia misy ny vavaka aorian’ny fananganan-tsaina. Nitokona teny am-bavahady anefa ny mpianatry ny Terminale omaly, na teo aza ny kiririoka fanairana. Ary ny nahagaga, dia rehefa niroso tamin’ny vavaka ny mpianatra dia nandrangaranga sorabaventy, mitaky ny fialan’ity frera tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly ity izy ireo. Niezaka nandamina ry frera, horakoraka no nasetrin’ny mpianatra izany. Nandrahona ny hampiantso polisy ny mpitantana ny sekoly. Vao mainka naharomotra ny mpianatra izany. Nitety efitranon-tsekoly ny frera tale. Nirongatra koa ny tany amin’ny kilasy faha-3 sy faha-4, ary nampanenoiny ny “sonnerie” hanairany ireo namany. Niakatra ny fifandirana, tsy arakaraka ny maha toeram-pibeazana sy amin’ny maha sekoly miankina amin’ny finoana ny St Joseph.

Tsy nisy fianarana vanona tao an-tsekoly, nifampitaona nivoaka ny faritry ny sekoly izy ireo, ary nidina an-dalambe nilanja sorabaventy nanodidina ny tanàna. Nikoropaka ny teo anivon’ny DIDEC (Direction Interdiocésaine de l’Enseignement Catholique), misahana ny sekoly katolika. Nisy ny fihaonan’ny teo amin’ny solontenan’ny mpianatra sy ny vikeran’ny fiangonana katolika ao Ambatoambo. Nandrangaranga ny tsy hiverina an-dakilasy ny mpianatra raha tsy miala ny frera “surveillant” fa hoe manao toeran-tsy zaka sy teny mandratra fo amin’izy ireo, ankoatra ny zavatra samihafa toa efa niotrika an-taonany raha ny fahitana azy. Miahiahy ny mpitantana ny sekoly fa misy mpampianatra ao ambadik’ity fihetsehan’ny mpianatra ity. Tsy nipetra-potsiny izy ireo fa nivory manoloana izany. Miato aloha ny fampianarana hatry ny omaly ary tsy hitohy raha tsy amin’ny alakamisy.

Manodidina ny 1100 eo ny isan’ny mpianatra ao amin’ity St Joseph ity, sahanina mpampianatra miisa 45 sy mpandraharaha 5. Eo am-panomanana ny fetiny ny sekoly no mitranga izao olana izao.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT