Actualités

Ambatondrazaka Nanao diabe tamin’ny lalana 1km ny Legalista


  • Talata 30 Martsa 2010

Tontosa ny diabe nataon’ny legalista tao Ambatondrazaka, nihazo ny tsangambaton’ny 29 martsa nanateran’izy ireo fehezam-boninkazo ho mari-pahatsiarovana ireo tia tanindrazana mahery fo nanao vy very ny ainy, ho fanavotam-pirenena teo ambany vahohon’ny frantsay mpanjanatany.

Lalana sahabo ho 1km teo no nodiavin’izy ireo, niala teo anoloan’ny biraon’ny Caisse d’Epargne Madiotsifafana nihazo ny tsangambaton’ny mahery fo. Nanao izay fomba rehetra hanakanana ny dian’izy ireo ny mpitandro ny filaminana saingy tsy nahasakana ny dian’izy ireo. Nihaodihaody tamin’ny lalana ny fiara tsy mataho-dalana feno zandary sy polisy, ankoatra ny teny fandrahonana samihafa fa izay no baiko midina, noraofina ny sorabaventy nentin’ny legalista mampahatsiahy ny vary 500Ar ny kilao nampanantenain’i Andry Rajoelina raha avy nandrombaka fahefana izy tamin’ny taon-dasa, na dia fantany aza fa niteraka hadisoam-panantenana teo amin’ny tantsaha mpamboly tsy namparisika azy ireo hamokatra. Fahombiazana, hoy ny mpitarika tany an-toerana ny hetsika fahatsiarovana ny faha-63 taonan’ny tolom-panafahana 29 martsa 1947.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT