Actualités

Ambalanomby Ambatondrazaka Mahatsiaro ho ankilabao ireo traboina


  • Alatsinainy 15 Martsa 2010

Fianakaviana miisa 42 tafo no voatery matory eny amin’ny arabe vokatry ny orambe nikija nentin’ny rivodoza “Hubert” ny herinandro lasa teo tao Ambalanomby fokontany Ambotanibe Kaominina Ampitatsimo Distrikan’Ambatondrazaka.

Matory miaraka amin'ny biby fiompy ireo traboina miisa 306. Hatramin'ny ora nanonaratanay, tsy mbola misy manampahefana nijery ny fahavoazan'ireo. Malahelo, araka izany, ireto fianakaviana traboina ireto satria ny tanàna voatery nilaozana, ny vokatra fefiky ny rano, ny tena toa ny tsy mba misy miahy. Ny fitaovana teo am-pelatanana toy ny “motoculteur” no voatery noravana natao trano, miampy lamba tsy lena (sachet). Miandry izay afaka hitsinjo azy ireo olona ireo.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT