Actualités

ACOA Modely Ampasimazava Saika raikitra indray ny sakoroka


  • Talata 20 Aprily 2010


Tsy mety milamina fa milaza ny samy manana ny marina ny mpitantana tarihin’i Giovanni Philémon mandrirotra ny Modely ho Otiv sy ny ekipan’ny mpitantana tarihin-dRafiringa miaraka amin’ny tambazotra ACOA Toamasina mametraka hatrany ny Modely ho ACOA. Saika raikitra indray ny sakoroka ny alakamisy teo. Araka ny fihaonana nataon’ny ekipan’i Giovanni mantsy, herinandro lasa izay, tao amin’ny Foyer social Canada, fa raha tsy mivaly hatramin’ny alarobia lasa teo ny fangatahana nataon’izy ireo amin’ny hanokafana ny rojo vy manidy ny Modely Ampasimazava, dia hitondra mpikambana hanapaka ny rojo vy izy ireo. Tsy tanteraka anefa ity fikasana hanokatra ny Modely Ampasimazava ity, satria tonga nanakana izany ny sekretera jeneralin’ny Faritra Atsinanana, sy ny vaditany nentin’ny tambajotra ACOA. Niditra an-tsehatra nandamina ny roa tonta ny faritra Atsinanana. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT