Actualités

50 taona ny fahaleovantena Potika ny firenena


  • Talata 30 Martsa 2010

Diso fanantenana tanteraka ny vahoaka raha niandrandra fanovana araka izay novoizina teny aminny 13 mey sy teny aminny kianjanny demokrasia Ambohijatovo.

Voalohany aloha, aiza izay PPN mora vidy nampanantenaina herintaona lasa lasa izay ? Sa ireny varin’ny Mana sy ny Magro ireny izany ? Ary ny menaka ? Angaha tsy efa nahita mpamatsy amin’ny vidiny ambany kokoa indray ? Ilay mangarahara nampanantenaina sy andrasan’ny vahoaka ity ? Aiza ho aiza ny tohin’ireny fahatratrarana vovo-bolamena 4kg ireny ? Iza no tompon’andraikitra tamin’izany no tsy nambara ho fanta-bahoaka nefa zony ny mahalala izany, satria fananam-pirenena ireny. Nanjavona koa angaha ilay izy nony tonga teto no toa tsy andrenesam-peo intsony ? Izao ve no hoe mangarahara ? Mety hatao fialan-tsiny angamba ny sazin’ny GIC. Aza hadinoina fa talohan’ny sazy anie no efa niandry an’izany mangarahara izany ny Malagasy. Faharoa, marina tokoa ve afaka mampandroso ny firenena ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, tarihin’i Andry Rajoelina na tsy misy aza ny famatsiam-bola avy any ivelany ? Hatraiza no mety hitombina izany ? Mila hotsiahivina indray ve fa tamin’ny naha Ben’ny tanànan’Antananarivo ny mpitondra ankehitriny anie ka nisavovona izaitsizy ny fako teto ? Inona no teto fa tsy lany andro nitaraina ny Ben’ny tanàna tamin’izany hoe «tsy omen’ny fanjakana fanampiana». Marina fa namboarina ny Lapan’ny tanàna, nefa izany ve no maika ? Manana birao anie ny Kaominina e ! Tsena no tsy ampy, mikorontana ny mpivarotra ary ny fako no niparitaka sy nameno ny tanàna, ka nametraka olana teto.

Koa ankehitriny, tsy misy ny fanampiana avy any ivelany izay niankinan-doha hatramin’izay, dia mbola hahavita tena sy tsy mila ny fanohanan’ny vahiny indray rehefa avy nandalilady tany ka tsy nahazo rariny. Ny very asa tsy fidiny ity mihamaro ; toa odian-tsy hita fotsiny fa itazonana ny toerana ihany no imasoana. Be loatra izay, samia tonga saina fa hopotehin’ny olom-bitsy ny firenena.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT