Actualités

29 martsa 2010 Ambohijatovo, Antsonjombe… samy tsy mendrika


  • Alakamisy 01 Aprily 2010

Telo andro taty aoriana dia mbola miteraka resa-be ny momba ny fanamarihana hafakely ny faha-63 taonan’ny 29 martsa. Samy nilaza ny ankamaroany fa tsy mendrika ireo raiamandreny nitolona ireny.

Emmanuel Rakotovahiny : “Nampalahelo sady nanafintohina ahy ny fomba fanamarihana iny 29 martsa iny izay fahatsiarovana ny tsy naneken’ny Malagasy hitsahin’ny mpanjanatany. Na ny teny Ambohijatovo na ny teny Antsonjombe. Andro fiheverana, fivavahana, fanajana no lasa nahodina ho politika ny 29 martsa. Ho an’ny tanora manokana dia fantaro fa raha firenena tsy manana ny tantarany dia firenena tsy manan-tsaina. Azo oharina amin’ny tongotry ny trano ny 29 martsa, koa na inona hitranga dia Malagasy isika”.

Révérend Andrianalijohn Andriamanampy: “tompon’andraikitra tamin’ireny savorovoro ireny ny kaominina”
 
Justice et Paix : “andro fisaonana, fandinihan-tena ny 29 martsa. Na ny teny Ambohijatovo na ny teny Antsonjombe dia nifanohitra amin’izany. Fiainam-pirenena sy soa toavina sahala main’ny ahoana no tiana apetraka eto? Tsapa fa mbola velona ao amin’ny tsirairay ny fitiava-tanindrazana saingy ny fanehoana azy no samihafa ary nanaitra. Tafasaraka ny vahoaka Malagasy. Zakantsika malagasy ve ny demokrasia, ny miaro ny fiandrianam-pirenena. Vitantsika ve ny mifankatia ao anatin’ny fahasamihafan-kevitra?”
 
Olon-tsotra : porofo ireny fa mikorontana ny eto Madagasikara, tsy araka izay lazaina fa hoe milamina ny firenena. Midika koa ireny fa dia tsy ankasitrahan’ny vahoaka ny FAT ka mila mandini-tena satria tsy mbola nisy ny toy ireny. Ankoatra izay ny fanapoahana grenady dia tena tsy fanao mihitsy ary dia tena hafahafa koa ny nanekena nanaovana fety teny Antsonjombe. Tsy mbola fahita hatramin’izay. Tsy mendrika e !
 
Nangonin’i Soa    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT