Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
mifanojo amin’ny olana goavana ara-tsosialy sy ara-toekarena. Ny delestazy lavareny, ny tsy fahampian-drano, ary ny tsy fandriampahalemana mitombo no lohahevitra goavana isan’ny ilam-baliny amin’ny governemanta. Eo ihany koa ny raharaha mampiady hevitra toy ny Base Toliara sy ny olana momba ny Nosy Éparses, indrindra manakaiky ny fivorian’ny komity kaominy miaraka any Frantsay amin’ny 30 jona. Naharitra ora efatra teo ny ny tatitra nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Niresahana ireo andinindininy sy antsipirian'ireo lazaina fa asa vita sy mbola andrasana amin’ny Governemanta. Noresahana ny momba ireo olana fototra iainan’ny vahoaka an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Navoitra ireo ambara fa fiatrehana ireo asa amin’ny fahatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo, ny tsy fandriampahalemana, ny lafiny sosialy, ny olan’ny rano sy ny jiro ary ireo vina ho fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Toy ny mahazatra, kabary ambony latabatra, resabe,… fa tsy hita izay tena vokatra amin’ny fiainam-bahoaka. Andaniny, tokony hametra-pialana ireo tompon’andraikitra tsy mahavita azy, hoy ny depiote sasany. Nivatravatra ohatra ny depiote Gascar Fenosoa. Nitaky hamahana haingana ny olam-bahoaka. Manaiky mametra-pialana ve ianareo : praiminisitra, ireo minisitra, fa tsy mahavita ny andraikitrareo. Vonona hitarika vahoaka eny an-dalambe miaraka amin’ireo depiote eto Antananarivo raha tsy mahavaha olana ao anatin’ity 6 volana farany ity ny governemanta? Horakoraka ny setrin’io, ary nisy ireo depiote sasany izay heverina fa ny mpanohana fitondrana nisiotsioka.
MIDONA AMIN’NY RINDRINA
Nahitsy ihany koa ny Depiote Roland Ratsiraka naneho taorian’ny tatitra nataon’ny Praiminisitra fa tsy izy no nanao azy, fa nomena azy, misy sekoly lazaina amboarina 20%, 40% no vita ka izany ve dia tokony hotenenina ao. « Vitsy ny zava-bita, ny fampiasam-bola ataon-dry zareo dia fampiasam-bola tsy misy ilàna azy. Ohatra ny kianja 70 tapitrisa dolara kanefa tsy mahazo fankatoavan’ny CAF, ny teleferika 151 tapitrisa dolara izay trosa ho an’ny taranaka kanefa tsy mandeha. Tonga ny Filoha Frantsay tsy afaka nitokana satria tsy ampy ny herinaratra. Dia io ihany koa tonga ao Toamasina ny « groupes électrogènes » midona amin’ny rindrina », hoy izy. Nahitsy i Roland Ratsiraka naneho fa midona amin’ny rindrina ny asan’ilay governemanta, mahantra ny Malagasy, mampalahelo,… « Eto Antananarivo izao tsy misy jiro sy rano. Ny Jirama Water Free izay 70 tapitrisa dolara, efa fony ao minisitra no nankatoavina. Tsy ampy fa tokony ho 200 tapitrisa dolara, ka maninona no tsy izany no ampiasana vola fa hanaovana tosika fameno. Vola very ireny, tsy asan’ny Filoham-pirenena no manome vola ny vahoaka sahirana. », hoy i Roland Ratsiraka. « Mahitsy isika miteny, ny nametrahana anareo dia hanampy sy hijery ny tombotsoam-bahoaka, ka miala rehefa tsy mahavita tamberin’andraikitra. Tokony hiala na iza na iza ao anaty mpanatanteraka rehefa tsy mahavita, fa fanao any ivelany izany », hoy kosa ny depiote Rajerison Antoine.
HO TONGA HATRAIZA ? HAHAVITA INONA ?
Hanana fanetren-tena hametra-pialana izany ve ny mpitondra ankehitriny izay tsy mahomby sy fa manamarin-tena ? Manampy trotraka izany ny fisian’ireo maro an’isa be tsy andraofana ao Tsimbazaza izay tsy miady ho an’ny vahoaka fa miaro ny fitondrana tsy mahomby ? Ho tonga hatraiza ihany koa ny fahasahian’ireo depiote izay misy milaza fa vonona hitarika vahoaka an-dalambe ? Vonona tena hifanome tànana hiady ho an’ny vahoaka sa kabary sy fampalazana tena politika no ho betsaka ? Ny vahoaka mantsy efa misy ny nirotsaka an-dalambe (Andraharo, Tanjombato, Vontovorona, Manarintsoa, Imeritsiatosika, Ampasampito,…) tsy niandry mpanao politika nitarika izay sanatria toa lany andro mifanasa vangy sy manadio tena ka tsy andry sy tsy atokisan’ny olona intsony na ny andaniny na ny ankilany?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.