Ny raharaha tokantranon’ny GTT International, ny Tiako I Madagasikara, ny krizy sy ny vahaolana amin’izany, ny politika sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Anisan’ny itondran’ny Dr Ratefinanahary Emile fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe : Vazaha fanazavana tamin’ny dinidinika nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy ireo, araka izao manaraka izao.
Tia Tanindrazana (T.T) : Misafotofoto be ihany ny fandrenesana ny vaovao mikasika anareo Diaspora Gasy Tia Tanindrazana (GTT), mivakivaky araka ny feo re marina izy io? Dr Ratefinanahary Emile (R.E) : Ny GTT moa dia anarana nomena ireo hetsika rehetra taty ivelan’ny Nosy ka niaro ny ara-dalàna, ny demokrasia ary ny zon’olombelona, izany hoe : nanohitra ny fanonganam-panjakana sy ny fanagadrana ara-politika ary ny famonoana mihitsy aza, izay nisy teto amin’ny firenena. Ary ny fitambaran’ireo rehetra manerana izao tontolo izao no atao hoe : GTT-International.
Maro izany ireo fikambanana ao anatiny ary eo koa ny amin’ny maha fikambanana azy dia misy fifaninanana anatiny izay endriky ny demokrasia izany koa samy afaka maneho ny heviny sy ny safidiny. Herintaona mantsy izao no nahatonga azy ho GTT-International ka hisy ny fivoriambe voalohany izay hatao ny 28 aogositra 2010 izao ao Paris ka hifidianana indray izay hitarika sy birao. Noho izany dia hamafisiko etoana fa Rtoa Lala Rahaga no filoha mpandrindra hatramin’izao.
T.T : Mila ho tratr’izay fivakivakisana izay koa ny ankolafy Ravalomanana izay tohananareo, inona no heverinareo fa antony ?
R.E : Ny ankolafy Ravalomanana indray dia fivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro izay manohana ny ara-dalàna. Samy manana ny maha izy azy ireo, indrindra fa ny antoko Politika toy ny TIM, MFM, TEZA, sns. Ny TIM manokana dia manana olana satria izy no niharan’ny fanonganam-panjakana mivantana, maro ireo tompon’andraikitra tao no tsy hita intsony, roa sisa no tavela tamin’ireo mpikambana miisa folo tao amin’ny Birao Politika (BP). Eo anatrehan’izany dia mbola eo am-pandaminana sy fanamboarana ny Antoko izahay. Ankoatra azy mirahalahy mianaka BP sisa tavela dia mbola ao koa ireo Reg-TIM izay miisa 23 (faritra 22 miampy ny 1 faritra ivelan’i Madagasikara). Aoka hazava amin’ny rehetra fa manana ny sata sy fitsipika anaty mifehy azy ny Antoko TIM ka tsy maintsy hajaina izany. Ny Birao Politika no manapaka ary Raharinaivo Andrianatoandro no filoha voalohan’ny Antoko sady mpitondra teny rahateo.
Noho ireo fahasamihafana ireo dia misy ny fifaninanana anatiny sy koa ny fieritreretana ao amin’ny tsirairay fa izy indray izao no tokony ho lohany ary indrindra ireo izay vao izao no mifandray amin’Atoa Marc Ravalomanana ka mieritreritra fa izy no tena atokisany. Eo ihany koa ny tsy fitovizana fomba fijery amin’ny hamahana ny krizy misy eto amin’ny firenena izay efa ela loatra, mila mifampiresaka sy tsy miziriziry raha tiana ny hamaha olana.
T.T : Aiza ho aiza marina ianareo GTT manoloana ny famahana ny krizy lavareny eto Madagasikara ity?
R.E : Tsy maintsy itadiavana vahaolana amin’ny lafiny rehetra ity krizy ity satria tena mijaly ny Vahoaka ary potika tanteraka ny Firenena. Raha tena Tia Tanindrazana tokoa dia tsy hahazaka ny mijery izao fahoriana mianjady izao, sy koa ny hibanjina ny hoavy izay hodimbiasan’ny taranaka. Ny tantara dia hipetraka, tsy misy afa-maina eto fa samy hotsarain’izany avokoa. Noho izany ny TIM Eoropa sy ny GTT dia manohana ny fitadiavana vahaolana, indrindra ny ataon’ny Antoko politika misy ny TIM.
T.T : Nandalo teto Madagasikara ny filoha Chissano nihaona, nihaino ary nandray ny tolokevitry ny hery politika samihafa. Nisy fihaonana taminy koa ve ny “Diaspora” ?
R.E : Maro ny tompon’andraikitra iraisam-pirenena mahakasika an’i Madagasikara no nihaonanay, indrindra ny aty Eoropa. I Chissano manokana dia tsy mbola nihaona taminy mivantana izahay kanefa kosa efa im-betsaka no nifanakalo ara-tsoratra, toy izany koa ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Ki-Moon.
Tamin’izao diany farany teo izao dia efa nandefa ny soso-kevitray koa izahay tany aminy sy ireo vondrona iraisam-pirenena rehetra. Isaorana ny SADC amin’ny fanelanelanana izay nataony hatramin’izay, fa tsy azo avela hitarazoka kosa anefa ny raharaham-pirenena.
T.T : Vita iny ny Dinika Santatra ary ho avy ny Fihaonambem-pirenena, betsaka no mametraka fanantenana amin’ny ezaka ataon’ny fiarahamonim-pirenena hamahana ny krizy, ny hevitrareo?
R.E : Araka ny efa voalazako tery ambony dia tsy maintsy atao izay hivahan’ny krizy maika amin’ny fomba rehetra satria mijaly ny vahoaka, potika ny Firenena. Aoka tsy hohadinoina anefa fa olana ara-politika no nisy teto noho izany dia tsy maintsy vahaolana ara-politika ihiany koa no jerena. Izay rehetra mitady vahaolana amin’izao krizy izao dia tokony hampiana izy. Ary tsy misy mahavita irery eto, tsy maintsy avy amintsika Malagasy ihany ny vahaolana ho an’ny firenentsika, noho izany, aoka hifanampy sy hiaraka hamaha ny olana fa tsy hifanilika sy hiziriziry ary indrindra tsy hijery afa tsy ny tombontsoam-pirenena.
T.T : Inona marina moa izao no tolokevitrareo hivoahana amin’izao krizy izao, ary ahoana no hataonareo hampabomby izany ?
R.E : Mba hampisy ny filaminana maharitra ka hialana amin’ny krizy miverimberina eto amin’ny firenena izay antoky ny fandrosoana tena izy ho an’i Madagasikara, dia ny fifamelana Nasionaly no tsy maintsy atomboka sy tanterahana. Mialoha izany anefa dia tsy maintsy apetraka ny fototra hitondrana ny firenena izay atao izay handraisan’ny rehetra anjara na farafaharatsiny ny maro an’isa ka hiafara amin’ny fifidianana mangarahara sy malalaka ary maharesy lahatra. Mandresy lahatra sy manazava izany amin’ny rehetra izahay, indrindra ny Malagasy.
T.T : Manao ahoana ny fifandraisanareo GTT amin’ireo rahalahy Afrikanina mandalo krizy koa ny fireneny ?
R.E : Tsy ny firenena Afrikanina manana olana ihany no iarahanay miasa sy mikaondoha fa izy rehetra, efa mitsangana ny fikambanambe atao hoe : Collectif Panafricains, izay mijery ny azo atao ka ho entina ho anjara biriky ny Diaspora Afrikanina any amin’ny fireneny.
T.T : Lalim-paka ny fahasahiranana, manjaka ny kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana ary ny fandrobana ny harem-pirenena toy ny “bois de rose”, mila ho kivy ny vahoaka, mbola misy azony antenaina amin’ny mpanao politika sa dia hionona amin’izay eo izy ?
R.E : Ny fomba fanaovana politika eto amintsika dia tsy maintsy mila fanamboarana sy fampianarana ary indrindra fametrahana lalàna mifehy azy. Tsy manana foto-kevitra ijoroana, tsy manana vinam-piarahamonina, tsy manana programan’asa ny ankamaroan’ny Antoko eto, hany ka lasa tsy maharesy lahatra ny vahoaka. Tokony samy hanana ny andraikiny amin’ny Firenena ny hery rehetra, ny Mpanao politika, ny fiarahamonim-pirenena, ny Miaramila, ny Fiangonana, sns. Mino anefa aho fa rehefa mazava amin’ny vahoaka ny tena atao hoe politika sy ny fomba fanaovana azy ho an’ny Firenena dia hatoky sy hanankina ary hisafidy mazava izay hitany fa mety aminy ny foto-keviny sy ny programan’asany. Fa izay mpanao politika kosa moa ka nanota fady teo imason’ny vahoaka dia tsy maintsy hotsarain’ny vahoaka koa izy.
T.T : Hamaranana azy ?
R.E : Ny teny famaranana dia manao antso avo ho an’ny hery velona rehetra misy eto amin’ny firenena, Mpitondra fivavahana, Fiarahamonim-pirenena, Miaramila, Mpanao politika, vahoaka manontolo, hanao tanana miara-mitondra, soroka miara-milanja, tongotra miara-mamindra, ka hametraka avo ny tombontsoam-pirenena, hiara-hitady ny vahaolana, hahay hifamela ka ho tonga any amin’ny fifidianana hametrahana ny rafitra rehetra hitondrana ny firenena sy ho tonga any amin’ny fifamelana nasionaly hisian’ny filaminana maharitra izay antoky ny fandrosoana tena izy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.