Politique

Guy Rivo Randrianarisoa “Ho avy ary mbola vonona hampandroso an’i Madagasikara ny filoha Ravalomanana»


  • Alakamisy 29 Jolay 2010

Ny fiverenana an-tanindrazan’ny filoha Ravalomanana, vahaolana amin’ny krizy, Dinika Santatra, dian’ny filoha Joaquim Chissano. Nifampiresahan’ny gazety Tia Tanindrazana tamin’i Guy Rivo Randrianarisoa, mpitondra tenin’ny ankolafy Marc Ravalomanana io, araka izao manaraka izao.

 

Tia Tanindrazana (T.T) : Miantehitra mafy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny ankolafy Ravalomanana amin’ny famahana ny krizy, inona no anton’izay ?
Guy Rivo Randrianarisoa (Guy Rivo) : Rehefa fitondrana tsy ara-dalàna no mitondra firenena iray dia manasazy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Zava-nisy niainana teto amintsika izany tamin’ny martsa 2009. Ireny zava-niseho teto amin’ny firenena nandritra iny taona 2009 ireny koa dia nanamafy fa sarotra ho an’ny samy mpanao politika malagasy ny hahita vahaolana haingana. Tsy nisy dinika na resaka afaka nifanaovana teo amin’ny rehetra ka niditra krizy ny firenena ary dia nanapahan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hevitra fa hanampy antsika Malagasy izy ireo ka nirotsaka ho mpanelanelana. Izay no nahatonga ny fifanarahana tany Maputo ary notovanina tany Addis abeba. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy hetsika na ezaka milaza fa tena maniry hiaraka hitady vahaolana ny rehetra. Koa aminay Ankolafy Ravalomanana dia fahendrena ny midinika miaraka amin’ireo mpanelanelana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo.
 
T.T : Nisy ny fihaonamben’ny Vondrona Afrikanina tany Kampala. Vao nandao an’i Madagasikara koa iny ny filoha Chissano, lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena, nangina tsy toy ny ahalalana azy anefa ny filoha Ravalomanana, inona no anton’izany ?
Guy Rivo : Fanajana sy fahendrena no zava-dehibe rehefa misy ny hetsika sy fihaonana ataon’ireo mpanelanelana ireo, indrindra fa ny fahatongavan’ny Filoha Chissano. Tsy tokony hosomparana amin’ny teny tsy voahevitra na fihantsiana izany fa avela izy hihaona ampilaminana amin’ny ankolafy rehetra satria ny tombontsoan’ny Malagasy no tadiavina. Efa nanao fanambarana ny filoha Ravalomanana efatr’andro mialoha ny hatongavan’ny filoha Chissano nilaza fa manohana ny fahatongavany eto Madagasikara ary manaiky izay hetsika ho atao rehefa hiraisan’ny rehetra ny fikarakarana sy ny fanatanterahana izany miaraka amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
 
T.T : Eto an-toerana dia misy ny Dinika Santatra. Mihalangalana anefa ny ankolafy misy anao, toa sakana indray amin’ny famahana ny krizy aza ?
Guy Rivo : Efa fanimpiriny moa no nisy izany dinika izany ? Raha jerena tsara dia tsy miova fa mitovy tamin’ireo efa tontosa teo aloha ihany ny fomba hitondrana azy. Tsy misy hevitra niarahan’ny daholobe nanomana sy nanao io dinika io. Ny zavatra tapaka ao anatin’io dinika io dia hevitra efa nomanina, izany hoe mandeha ila. Izany no antony tsy handraisanay anjara fa tsy sanatria hoe manao sakana sanatria. Raha nisy ny fanajana eo amintsika samy Malagasy dia tokony naato aloha io Dinika Santatra io nandritra ireny fandalovan’ny filoha Chissano ireny. Ny vondron’ny fiarahamonina sivily (CNOSC) koa vao tafantsagana ary hirotsaka amin’ny fitadiavana vahaolana koa inona no mahamaika hanombohana samirery ity Dinika Santatra ity ? Na ny olona hanatrika na ny mpizaika aza dia efa azo heverina fa voafantina avokoa.
 
T.T : Ho avy ny fikaonandoham-pirenena, ary teraka ny CNOSC handray an-tanana ny fikarakarana azy. Misy ny fifanatonana etsy sy eroa. Ahoana marina ny toerana sy ny hevitry ny ankolafy Ravalomanana momba an’io ?
Guy Rivo : Averiko ihany fa vonona izahay handray anjara rehefa hifanarahan’ny rehetra ny fikarakarana sy ny fanatontosana izay hatao na dinika io na fikaonandoha io na loabary an-dasy io. Tsy maintsy hiarahana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa ny zavatra atao rehetra. Tsy azo hadinoina fa ny votoatin’ireo zavatra ho dinihana no tena zava-dehibe ary ho anay ankolafy Ravalomanana dia tsy tokony hariana na hadinoina ny Satan’ny Maputo izay efa nosoniavin’ny rehetra.
 
T.T : Tsy misy Malagasy mifamono teto, ka hilana “réconciliation», hoy i Andry Rajoelina izay nilaza fa tsy mety ny “consensualité” sy “inclusité” amin’ny fitantanana ny tetezamita, izy rahateo mandà ny hanaovana tetezamita vaovao. Vita hatreo izany ny Maputo sy Addis
Abeba ?
Guy Rivo : Rehefa tsy ao anatin’ny fitondrana ara-dalàna isika ka te hifandray sy hiara-monina amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia tsy maintsy miditra amin’ny fitondrana tetezamita iraisan’ny daholobe. Raha tetezamita mandeha ila no mitantana dia mbola fitondrana azo tamin’ny fanonganam-panjakana izany no misy. Ny fifanarahana tany Maputo dia tsy fizarana toerana fa fametrahana fiarahamonina vaovao hahafahan’ny mpanao politika mijery ny hoavin’ny firenena ka hahatongavana amin’ny fifidianana malalaka sy mangarahara. Tsy afaka hiala amin’io satan’i Maputo io ny rehetra satria tsy hisy filaminana sy asa ho vitan’ny tetezamita raha tsy mazava izay fiarahamonina eo amin’ny samy mpanao politika izay. Izay no mahatonga anay mampiditra izany satan’ny Maputo izany eo anivon’ny dinika rehetra izay hatao na eto amin’ny samy Malagasy izany na any ivelany.
 
T.T : Foana tanteraka tsy nisy tohiny intsony koa moa izany ilay dinika tany Pretoriat tamin’ny volana aprily 2010 iny ?
Guy Rivo : Aleo ny filoha Chissano hanao ny tatitra sy hanolotra izay soso-kevitra hitany fa mety ho antsika taorian’ny diany teto iny. Avy eo afaka maneho ny heviny ny tsirairay. Mety ho tafiditra amin’izay soso-kevitra izay ny valin-teny.
 
T.T : Resabe ity fanondranana “bois de rose” ity ankehitriny, ary voalaza fa tamin’ny fitondrana teo aloha no tena mpanao azy ity ary hisy ampamoaka. Manan-kambara amin’izany ve ianao ?
Guy Rivo : Sarotra ho ahy ny hilaza hoe marina ve izany. Tiako fotsiny ny mampatsiahy fa nanomboka ny volana mey 2009 no mankaty no nandrenesana feo amin’ity resaka “bois de rose” ity. Ary tsy feo avy amin’ny Malagasy fa avy amin’ireo firenena vahiny sy fikambanana iraisam-pirenena miaro ny zavaboary.
 
T.T : Voafehy ny vidim-piainana, misy izay ilain’ny Malagasy, voaloa ny karaman’ny mpiasam-panjakana ary tsy nanao sonia findramam-bola na dia 1 dolara aza ny FAT, ahoana tokoa ny fandraisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena ny toe-draharaha eto ?
Guy Rivo : Ry zareo ao amin’ny FAT no mahafantatra ny fomba ataony hafahany manao izany. Marina, efa fantatra ihany hoe avy aiza ny vola ampiasainy fa tsy dia mitondra antsika ho aiza loatra ny mitsikera izany amin’izao. Ho an’ny mpamatsy vola dia sarotra be ny toe-draharaha eto amin’ny firenena na ara-politika na ara-ekonomika na ara-tsosialy ary miditra amin’ny lalina tanteraka ny fianam-pirenena raha tsy mahita vahaolana politika malaky isika. Raha atao amin’ny teny Malagasy andavanandro dia hoe “ho kenda isika Malagasy atsy ho atsy, na ny fitondrana izany na ny vahoaka
 
T.T : Maro no mamoifo ary misy mihitsy no mamono tena. Mbola hiverina an-tanindrazana marina ve ny filoha Ravalomanana ?
Guy Rivo : Ny hilazako ny fiverenan’ny filoha angaha dia tsotra. Krizy politika no misy ka tsy maintsy misy vahaolana politika. Tsy maintsy tafaverina izy ary azoko ambara fa tena mbola vonona ny filoha Ravalomanana hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena.
 
Dinika nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT